Lisitr'ireo Hadith

Allah dia hamindra fo amin'izay olona miantra rehefa mivarotra, na mividy, na mitrosa
عربي الإنجليزية الأوردية
“Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
“Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io dia ho ahy ary ny tenako no hamaly soa ny aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”
عربي الإنجليزية الأوردية
Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nifehy iray andro amin’ny làlan’I Allah (noho tompo Allah) dia ho halavirin’I Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe ilay olona ”
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako
عربي الإنجليزية الأوردية
Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana
عربي الإنجليزية الأوردية
Niaraka nanao Eid tamin'i Omar bin Al-Khattab (R.A) aho, ka hoy izy : Ireo roa ireto no andro nandraran'ny irak'Allah ny fifehezana : ny andro hitsaharanareo amin'ny fifehezanareo, ary amin'ny andro hafa izay hihinananareo amin'ny fomba fanaonareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nanao ny fivanianana masina (Hadjy) ho an'i Allah ka tsy nanao fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any aminy Izy, dia lasa tahaka ny andro voalohany izay nahaterahan'ny reniny azy amin'izany fotoana izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat
عربي الإنجليزية الأوردية
“Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”
عربي الإنجليزية الأوردية
Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana
عربي الإنجليزية الأوردية
Eny tokoa, tompo Allah dia mamela ny vahoakako amin'izay nobitsibitsin'ny fony, raha mbola tsy nanao na niteny izany izy
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny
عربي الإنجليزية الأوردية
Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny fahotana lehibe dia ny : Fampiombonana an'Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay mamono ny mpanao fanekena dia tsy haheno ny hanitry ny Paradisa, ary ny hanitry ny paradisa dia heno hatrany amin’ny halavirana dia efa-polo taona.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Tsy miditra ny Paradisa izay manapaka ny fihavanana”
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay maniry ny hanitatra ny fivelomany, ary ny hanitatra ihany koa ny anjaram-pivelomana, dia aoka izy hihazona ny fifandraisany amin'ireo havany.
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy ilay manolotra fanomezana no atao hoe mpanohy ny fihavanana, fa ny tena mpanohy fihavanana dia ilay miezaka manohy izany raha sendra misy fahatapan'ilay fihavanana
عربي الإنجليزية الأوردية
Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny mpanao kolikoly sy ny mpaka tsolotra amin'ny fitsarana
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izay mpitondra resaka mampiady. ”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso
عربي الإنجليزية الأوردية
Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Ny Olona tena tsy Tian’i Allah indrindra dia ny olona tsy resy ambava ”
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mitam-piadiana hamely anay dia tsy namanay
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza manompa ny maty, fa efa nahavita izay nataony avokoa izy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy azo atao ny mandao (mirafy) ny rahalahiny mihoatra ny telo alina, rehefa mifankahita izy ireo, ary mandà izy roa lahy, mifanome lamosina ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia izay manomboka miarahaba manao ny Salamo
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany
عربي الإنجليزية الأوردية
“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy
عربي الإنجليزية الأوردية
Hoy aho : Ry irak’Allah ô, inona no zo ananan’ny vadin’iray aminay dia aminy, hoy izy : “Omenao sakafo izy rehefa misakafo ianao, ary ampitafianao rehefa mitafy ianao na hoe rehefa mahazo vola ianao? Aza mikapoka ny tarehy, aza manozona, ary aza ilaozana raha tsy ao an-trano”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay manambady tsy nahazo alàlana avy amin’ny mpitaiza azy, dia tsy manan-kery ny fanambadiany - in-telo - ary raha nanao firaisana izy, dia azy ny vodiondry na inona na inona nitranga, ary raha mifanditra izy ireo dia ny manampahefana no mpiahy an’ireo izay tsy manana mpiahy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ho voaozona izay nanao firaisana tamin’ny vadiny any aoriana”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Fahafinaretana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny akanjon’ny mpino silamo dia mipaka hatrany amin’ny antsasaky ny tongony, ary tsy misy elanelana – na tsy maninona – eo anelanelan’izy io sy ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin’ny kitrokely dia ao amin’ny helo, izay misintona ny akanjony ambany amin’ny tsy rariny, dia tsy ho jeren'I Allah izy.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra
عربي الإنجليزية الأوردية
Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany
عربي الإنجليزية الأوردية
Nandrara ny fanaovana Qaz’aa ny irak’Allah (S.A.W)
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fianianana dia mampandany entam-barotra, saingy manaisotra tombony
عربي الإنجليزية الأوردية
Hetezo ny volombava ambony ary alavao ny somotra
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara
عربي الإنجليزية الأوردية
i Mpaminany (S,W,A) no olona tsara toetra indrindra
عربي الإنجليزية الأوردية
fa ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny Koroany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra
عربي الإنجليزية الأوردية
“Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny ohatry ny namana tsara sy ny namana ratsy dia toy ny mpivarotra ranomanitra Misk sy mpanefy vy,
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza tezitra
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny asa tsara rehetra dia fanomezana
عربي الإنجليزية الأوردية
Isaky ny vanin-taolana eo amin'ny olombelona dia misy fanomezana avokoa
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no rehefa mifanena amin'ny rahalahinao
عربي الإنجليزية الأوردية
“Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay tsy mamindra Fo amin'ny Olona, dia tsy hamindra ao aminy ihany koa i Allah ilay avo Tsitoha
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana Islam no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’i Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa
عربي الإنجليزية الأوردية
“Manatòna ary mialà, ary fantaro fa tsy hisy aminareo ho voavonjy amin’ny alàlan'ny asany.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah, Eny na ianao aza? Namaly izy hoe : “Eny na dia izaho aza, raha tsy Allah mandrotsaka amiko ny famindram-pony sy ny fahasoavany”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny andro ny fitsanganana amin’ny maty ”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy efa mitia ho an'ny rahalahiny izay zavatra tiany ho an'ny tenany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny finoana dia mora, ary izay manenjana ny finoana dia ho resiny, koa avereno izany, ary manatòna
عربي الإنجليزية الأوردية
Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra
عربي الإنجليزية الأوردية
Teo anatrehan'i Oumar izahy ka niteny izy hoe : "Voarara taminay ny fankasarotana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha mihinana ny anankiray aminareo, dia aoka izy hihinana amin’ny tànany havanana, ary raha misotro izy, dia aoka hisotro amin’ny tànany havanana; saria ny Satana dia mihinana amin’ny tànany havia sy misotro amin’ny tànany havia.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao
عربي الإنجليزية الأوردية
Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Nisy lehilahy iray niara-nisakafo tamin’ny irak’Allah (S.A.W), tamin’ny tanany havia, dia hoy izy hoe : “Mihinàna amin’ny tànanao ankavanana ianao” Namaly izy : “Tsy vitako” dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy vitanao ve
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka izy hisitaka anay - na hoy izy : Aoka izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony”
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nihinana hanina ka niteny hoe : Alhamdoulillahillazi At'aamani haza warazakanihi min ghairi hawlin minni wala kowwa, izay midika hoe : Isaorana anie Allah izay nampihinana sy nanome ahy ity sakafo ity, tsy tamin'ny heriko na tanjaka avy amiko, dia ho voavela ny heloka vitany teo aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony
عربي الإنجليزية الأوردية
Marina tokoa fa i Allah dia mitia ny fanatanterana ireo fanamaivanana izay nomeny, toy ny fitiavany fanatanterahana ireo didiny napetrany
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay tian'i Allah omem-pahasoavana dia hotsapainy
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
“Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”
عربي الإنجليزية الأوردية
Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara
عربي الإنجليزية الأوردية
“Afaingano amin'ny asa soa ny fitsapana tahaka ny ampahan’ny alina maizina
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino.
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny tsara indrindra aminareo dia izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa
عربي الإنجليزية الأوردية
dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan'i Allah (S.A.W), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny
عربي الإنجليزية الأوردية
“Holazaina amin’izay mpamaky ny boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay vakinao ”
عربي الإنجليزية الأوردية
Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy?
عربي الإنجليزية الأوردية
Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny
عربي الإنجليزية الأوردية
“Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorat Al-Baqarah i Satana.”
عربي الإنجليزية الأوردية
O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : {Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou} [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir
عربي الإنجليزية الأوردية
Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana
عربي الإنجليزية الأوردية
I Mpaminany (S.A.W) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Tsy misy mendri-kaja kokoa eo amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha mihoatra noho ny Fangatahana Douan
عربي الإنجليزية الأوردية
Na iza na iza mpino silamo mangataka zavatra ka tsy nisy fahotana na fanapahana rohim-pihavanana ny fangatahany, afa-tsy hoe omen'I Allah azy ny iray amin'ireto zavatra telo ireto : Na ho valiany avy hatrany ilay hataka izany, na ho tehiriziny ho azy any ankoatra, na foanana amin'ny alàlan'izany ny ratsy saika hahazo azy mitovy ny halehibiazan'ny hataka nataony", hoy izy ireo : Raha izany dia ho ataonay betsaka ny hatakay? Dia namaly Izy hoe : "Allah no manana betsaka indrindra
عربي الإنجليزية الأوردية
Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”
عربي الإنجليزية الإندونيسية
Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko
عربي الإنجليزية الأوردية
“Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako, izay fiarovana ny raharahako
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy rehetra, na ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'i Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay madio indrindra eo imason’ny Mpanjakanareo, izay ambony indrindra eo amin’ny voninahitrareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Efa nanontany zavatra lehibe tokoa ianao, ary izy io dia ho mora amin'izay nankamoran'I Allah azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy }
عربي الإنجليزية الأوردية
Lehiben'ny fangataham-pamelana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Allah ô, Ianao no namoha anay ny maraina, ary Ianao no nahatonga anay nahatratra ny hariva, Ianao no ivelomanay, Ianao no ahafatesanay, ary Aminao no hiverenanay”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay miteny : Amin’ny anaran’I Allah ilay tsy mahavita manao ratsy ny anarany ireo zava-drehetra na eto an-tany na any an-danitra, Izy ilay mandre sy mahalala, intelo, dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-pahatongavan'ny maraina
عربي الإنجليزية الأوردية
{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Teny tena Tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra : Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloahy),fiderana anie hoan'i Tompo Allah (Alhamdo lillàhy), tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàhou), ary lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar), tsy maninona na inona na inona amin’ireo no atombokao voalohany.
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Teny roa maivana amin’ny lela, nefany tena mavesa-danja eo amin’ny mizana (vato-fandajana), ary tian’Ilay Be famindrampo
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahy wa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah)
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mijanona amin'ny toerana iray avy eo niteny manao hoe : (An-oudhou Bikalimàtillahy-Tammàty min Sharry mà Khalaq) izay midika hoe : "Mangataka fiarovana amin'ny tenin'Allah tonga lafatra aho amin'ny faharatsian'ny zavatra noforoniny", dia tsy hisy hanisy ratsy azy mandra-pialany amin'izany toerany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma Iftahlì Abwàba rahamatika - Allah ô! Vohay amiko ny varavaran'ny famindram-ponao", ary rehefa miala izy, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma innì As-aloka min fadhlika - Allah ô! Mangataka aminao ny fahasoavanao aho
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa miditra ny tranony ny olona iray ka manonona ny anaran’Allah eo am-pidirana sy eo am-pihinanana, dia holazain’i Satana hoe : Tsy manana toerana hatoriana ianareo na hisakafoanana ny alina
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
O ry Irak'Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Irak'Allah va Ianao ?
عربي الإنجليزية الأوردية
izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”
عربي الإنجليزية الأوردية
izahay dia mahatsapa zavatra mavesatra amin'ny Tenanay ny hiresaka izany, Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " efa nahazo Anareo ve izany ? " Namaly izy ireo: Eny, Hoy Izy : " izany no fahamarinan'ny finoana
عربي الإنجليزية الأوردية
fisaorana ho an'i Tompo Allah izay namerina ny teti-dratsiny any amin'ny faka-panahy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato
عربي الإنجليزية الأوردية
Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy ho tonga no sady tsy ho avy mihitsy ny Andro farany raha tsy miady amin'ny Jiosy avokoa Ianareo, mandra-pahatongavan'ny vato izay hiafenan'ny Jiosy hiteny hoe : Ry Mpino, misy Jiosy ao aoriako, ka vonoy Izy
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra
عربي الإنجليزية الأوردية
“Hitoetra eo amin’ny dobo Aho mandra-pahitako izay tonga Aminareo hamaly Ahy, ary hisy andian'Olona ho sakanana amin'izany, ka Hiteny Aho amin'izany fotoana izany ny hoe : Tompo ô, avy Amiko sy vahoakako Iny
عربي الإنجليزية الأوردية
Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.A.W) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa nodidin'i Allah ho faty any amin'ny toerana iray ny mpanompony dia hataon'i Allah lasa misy antondiany any amin'io toerana io
عربي الإنجليزية الأوردية
ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr
عربي الإنجليزية الأوردية
Niteny zavatra i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy manao hoe : “ Io dia amin’ny fotoanan’ny fanjavonan’ny fahalalana
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mino ny Olon’ny Boky Ianareo ary aza lavina ihany koa ny voalazan'izy ireo, Saingy lazao fotsiny ny hoe : { Mino an'i Tompo Allah Izahay sy ireo izay nampidininy Aminay }
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanome ohatra i Allah amin'ny làlana mahitsy
عربي الإنجليزية الأوردية
Nampidinina tamin'ny ilay Irakan' i Tompo Allah ny faminaniana fony izy mbola Efa-polo
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy fantatry ny Mpaminany (S.A.W) ny fisaran'ny toko (Sourat) ao amin'ny Boky masina Koroany teo aloha raha tsy efa nidina ny teny hoe Bismillahir-rahmànir-rahim (Amin'ny Anaran'i Allah ilay be fiantrana sy be famindram-po)
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
moa va ilay nampandeha Azy tamin'ny tongony roa tsy hahavita hampandeha Azy indray amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mihaona amin'i Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay manao Ratsy, dia i Allah no hamaly sy hanisy ratsy Azy, ary izay mametra-tena ho mafy dia ho mafy Aminy i Tompo Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
“i Allah dia mankatia ny mpanompo matahotra azy sy manan-karena ary miafinkafina
عربي الإنجليزية الأوردية
i Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ny ody
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy hamela tady na rojo eo amin’ny vozon’ny rameva raha tsy tapaka
عربي الإنجليزية الأوردية
ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato
عربي الإنجليزية الأوردية
Nampianatra anay Irak'Allah (S.A.W) khoutoubat Al-hàjat
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay tonga eo aminareo ka ny raharahanareo rehetra eo ambany fahefan'ny lehilahy iray, ka te handrava ny fahefanareo, na hampisaraka ny fitambaranareo, dia vonoy izy”
عربي الإنجليزية الأوردية