+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«إِنَّ اللهَ لَا يَنْظُرُ إِلَى صُوَرِكُمْ وَأَمْوَالِكُمْ، وَلَكِنْ يَنْظُرُ إِلَى قُلُوبِكُمْ وَأَعْمَالِكُمْ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2564]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
"Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy mijery ny tarehin'ny mpanompony sy ny vatany, tsara tarehy ve izy ireo sa azo tsinontsinoavina? Lehibe sa kely? Salama sa marary? Tsy mijery ny fananan’izy ireo Izy, betsaka ve sa vitsy? Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy manasazy sy hitsara azy ireo amin’ireo raharaha ireo na ny tsy fitovizan’izy ireo ao amin'izany fa Mijery ny ao am-pon’izy ireo sy izay ao anatin’izy ireo momba ny fatahorana sy ny fitokisana, ny fahamarinana sy ny fahadiovam-po, na ny mikasa fireharehana sy ny laza, ary Mijery ny asan’izy ireo amin’ny fahamarinany sy ny fahalotoany Izy, Ka hahazo valisoa sy hanasazy azy ireo noho izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mikarakara ny fahatsaran'ny fo, sy ny fanadiovana azy amin'ny laza rehetra maharikoriko sy mahatsiravina.
  2. Ny fahatsaran'ny fo dia noho ny fahadiovam-po, ary ny fahamarinan'ny asa dia amin'ny fanarahana ny Mpaminany (S.W.A), Satria izany dia toerana izay jerevan'Allah ilay avo Tsitoha ary manan-danja Aminy.
  3. Tsy tokony ho voafitaky ny volany, na ny hatsaran-tarehiny, na ny vatany, na ireo zavatsoan'izao tontolo izany.
  4. Fampitandremana amin'ny fiankinan-doha amin'ny endrika ivelany nefa tsy manatsara ny ao anatiny.