+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم كان يقول:
«الصَّلَوَاتُ الْخَمْسُ، وَالْجُمُعَةُ إِلَى الْجُمُعَةِ، وَرَمَضَانُ إِلَى رَمَضَانَ، مُكَفِّرَاتٌ مَا بَيْنَهُنَّ إِذَا اجْتَنَبَ الْكَبَائِرَ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 233]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe :
"Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (saw), fa ny vavaka in-dimy isan'andro sy ny alina izay tsy maintsy atao, ny vavaka zoma isan-kerin'andro, ary ny fifadian-kanina amin'ny volana ramadany isan-taona, dia famafana ny fahotana madinika izay eo anelanelan'izy ireo , raha toa ka miala ireo fahotana lehibe. Raha ny amin’ny fahotana lehibe toy ny fijangajangana sy ny fisotroana toaka, dia tsy voafafa izany raha tsy amin'ny fibebahana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahotana dia misy ny kely ary misy ny lehibe.
  2. Ny sorom_panavotana ho an’ny fahotana madinika dia miankina amin’ny fialana ireo fahotana lehibe.
  3. Ny fahotana lehibe dia ny fahotana izay misy sazy mihatra eto an-tany, na misy sazy mahery vaika any ankoatra; amin’ny fampijaliana, na amin’ny fahatezerana, na amin’ny fandrahonana, na amin’ny fanozonana ny mpanao ratsy, toy ny fijangajangana sy ny fisotroana toaka.