Lisitr'ireo Hadith

Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe mandehana mitady n'y anjara masoandro no sady dia ankino tsara amin'i Tompo Allah ny fiainana)
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah ny lelanao
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny asa tsara rehetra dia fanomezana
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Tsy miditra ny Paradisa izay manapaka ny fihavanana”
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay maniry ny hanitatra ny fivelomany, ary ny hanitatra ihany koa ny anjaram-pivelomana, dia aoka izy hihazona ny fifandraisany amin'ireo havany.
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Tsy misy mendri-kaja kokoa eo amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha mihoatra noho ny Fangatahana Douan
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahy wa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe
عربي الإنجليزية الأوردية
fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha miteny ny mpiantso amin'ny Azan hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, ka niteny ny iray aminareo hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar
عربي الإنجليزية الأوردية
“Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy nampianiana anareo aho ho fiampangana anareo, fa saingy tonga tamiko i Jibril (A.S) ary nilaza fa tompo Allah mirehereha anareo eo anatrehan'ireo anjely
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nanohana mpanompo vavy roa mandra-pahatongan'ny fahamatorana, dia izaho sy izy amin'ny andro farany toy izao", ary nanondro ny rantsantanany izy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo
عربي الإنجليزية الأوردية
asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana
عربي الإنجليزية الأوردية
fa mianiana amin'Allah aho fa ny fitaritan'Allah ny olona iray noho ianao, dia tsara lavitra ho anao mihoatry ny rameva mena
عربي الإنجليزية الأوردية
“Matahora an’i Allah Tomponareo, ary mivavaha aminy in-dimy isan’andro, mifeheza mandritra ny iray volana, ary aloavy ny zakat amin’ny fanananareo, ary ankatoavy izay mpitondra aminareo, dia hiditra ao amin’ny Paradisan’ny Tomponareo ianareo.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay madio indrindra eo imason’ny Mpanjakanareo, izay ambony indrindra eo amin’ny voninahitrareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Maty antoka, maty antoka, maty antoka", nanontany izy ireo hoe : "Iza izany ry Irak'I Allah?", Namaly izy hoe : "Izay nahatratra ny ray aman-dreniny antitra, na iray na izy roa nefa tsy niditra amin'ny Paradisa
عربي الإنجليزية الأوردية
nialoha làlana ireo mofarridona
عربي الإنجليزية الأوردية
“Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha toa ianao ka toy ny voalazanao, dia toy ny nahatonga azy ireo hahatsiaro ho leo, ary mbola manana fanohanana avy amin’I Allah amin’izy ireo ianao, raha mbola manao izany foana ianao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy olona mitsangana avy amin'ny fivoriana izay tsy nahatsiarovana an'I Allah afa-tsy hoe mitsangana tahaka ny fatin'ny boriky, ka dia ho feno alahelo ho azy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'I Allah ny lelanao
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Hoy ny irak'Allah tamin'I Abo Bakr sy Omar (R.A) manao hoe : "Ireo no lehiben'ny zoky olona rehetra ao amin'ny Paradisa, ny rehetra tany aloha sy ny aty aoriana, afa-tsy ireo Mpaminany sy ny Iraka
عربي الإنجليزية الأوردية
O ry Irak'Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Irak'Allah va Ianao ?
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray
عربي الإنجليزية الأوردية
Niteny zavatra i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy manao hoe : “ Io dia amin’ny fotoanan’ny fanjavonan’ny fahalalana
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanome ohatra i Allah amin'ny làlana mahitsy
عربي الإنجليزية الأوردية
Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy?
عربي الإنجليزية الأوردية
“Holazaina amin’izay mpamaky ny boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay vakinao ”
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”
عربي الإنجليزية الأوردية
dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan'i Allah (S.A.W), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : {Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou} [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir
عربي الإنجليزية الأوردية
Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy
عربي الإنجليزية الأوردية
izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah tsy mandray asa afa-tsy izay atao an-kitsim-po, sy nampifaliany an'i Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fanompoana ao anatin'ny vanom-potoan'ny korontana dia toy ny fifindra-monina mankaty amiko
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa
عربي الإنجليزية الأوردية
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino.
عربي الإنجليزية الأوردية
Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha fantatry ny olona izay ao amin’ny antso sy ny laharana voalohany, ary avy eo dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manao antsapaka izy ireo, dia hanao antsapaka
عربي الإنجليزية الإندونيسية