Lisitr'ireo hadith

“Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”
عربي Anglisy Ordo
Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo
عربي Anglisy Ordo
Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany
عربي Anglisy Ordo
Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara
عربي Anglisy Ordo
Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva
عربي Anglisy Ordo
Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako
عربي Anglisy Ordo
Ny asa tsara rehetra dia fanomezana
عربي Anglisy Ordo
Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina
عربي Anglisy Ordo
Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, dia Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo
عربي Anglisy Ordo
Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana
عربي Anglisy Ordo
Izay Olona namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
fa ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza
عربي Anglisy Ordo
Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany
عربي Anglisy Ordo
Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina
عربي Anglisy Ordo
Tsy nampianiana anareo aho ho fiampangana anareo, fa saingy tonga tamiko i Jibril (A.S) ary nilaza fa tompo Allah mirehereha anareo eo anatrehan'ireo anjely
عربي Anglisy Ordo
“Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo
عربي Anglisy Ordo
asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.”
عربي Anglisy Ordo
Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana
عربي Anglisy Ordo
“Matahora an’I Allah Tomponareo, ary mivavaha aminy in-dimy isan’andro, mifeheza mandritra ny iray volana, ary aloavy ny zakat amin’ny fanananareo, ary ankatoavy izay mpitondra aminareo, dia hiditra ao amin’ny Paradisan’ny Tomponareo ianareo.”
عربي Anglisy Ordo
O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, ka Niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : " Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Iraka mahafatokin'i Tompo Allah va Ianao ?
عربي Anglisy Ordo
Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny Olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato
عربي Anglisy Ordo
Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray
عربي Anglisy Ordo
Niteny zavatra i Mpaminany (S.W.A), ka hoy Izy manao hoe : “ Io dia amin’ny fotoanan’ny fanjavonan’ny fahalalana
عربي Anglisy Ordo
Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala
عربي Anglisy Ordo
Nanome ohatra i Tompo Allah amin'ny làlana mahitsy
عربي Anglisy Ordo
Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy ?
عربي Anglisy Ordo
“ Holazaina amin’izay Mpamaky ny Boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena Anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay Vakinao ”
عربي Anglisy Ordo
“ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny Olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”
عربي Anglisy Ordo
dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan' i Tompo Allah (S.W.A), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha
عربي Anglisy Ordo
O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : { Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou } [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir
عربي Anglisy Ordo
Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany
عربي Anglisy Ordo