+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لَا تَدْخُلُونَ الْجَنَّةَ حَتَّى تُؤْمِنُوا، وَلَا تُؤْمِنُوا حَتَّى تَحَابُّوا، أَوَلَا أَدُلُّكُمْ عَلَى شَيْءٍ إِذَا فَعَلْتُمُوهُ تَحَابَبْتُمْ؟ أَفْشُوا السَّلَامَ بَيْنَكُمْ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 54]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy hiditra ny Paradisa raha tsy ireo mpino ihany, ary tsy ho feno ny finoana ary tsy mihatsara ny fiarahamonina silamo raha tsy mifankatia samy izy ireo. Dia notarihin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny zavatra tsara indrindra izay hampanjaka ny fitiavana, dia ny fampielezana fifampiarahabana (salamo) eo amin'ny samy mpino silamo, izay nataon'Allah ho fiarahabana amin'ireo mpanompony.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Amin’ny alalan’ny finoana ihany no ahafahana miditra ao amin’ny Paradisa.
  2. Anisan'ny fahafenoan'ny finoana ny fitiavan'ny mpino zavatra ho an'ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany.
  3. Tsara ny fanaparitahana fifampiarahabana sy fanaovana izany ho amin'ireo mpino; Satria mampiely fitiavana sy filaminana eo amin'ny olona izany.
  4. Ny mpino silamo ihany no tolorana firahabana Salam; noho ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Eo aminareo".
  5. Ny fanaparitahana fiarahabana "Salam" dia manala ny fifandrafesana sy fifanalavirana ary ny fifankahalana.
  6. Ny maha zava-dehibe ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpino silamo ary anisan’ny fahafenoan’ny finoana izany.
  7. Voalaza amin’ny hadith hafa fa ny endrika feno amin’ny fiarahabana dia ny hoe : “Assalam Alaikom Warahmatollahi Wabarakatoh" izay midika hoe : Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fitahian’Allah”, ary ampy ny fitenenana hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminareo anie ny fiadanana”.