En Ar


Tetikasa rakipahalalana momba ireo Hadith-n'ny Mpaminany sy ny fandikana azy:

Tetikasa feno hisafidianana ireo Hadith marinan'ny Mpaminany izay miveriberina ao amin'ny sehatra Islamika sy fanazavana azy ireo amin'ny fomba tsotra sy mahampy, avy eo fandikana azy amin'ny kalitao avo lenta araka ny fomba fanatanterahana azy voafaritra tsara ho amin'ireo fiteny velona rehetra ary natao maimaim-poana amin'ny fomba rehetra ahafahana manao izany.

Ireo tanjona:

  1. Hampisy loharano iraisam-pirenena maimaim-poana azo antoka sy mivoatra ho an'ny fandikana ireo Hadith-n'ny Mpaminany.
  2. Fanolorana fahatsiarovana elektronika ho an'ny fandikana Hadith eo am-pelatanan'ireo Mpandika teny mandritra ny fandikana.
  3. Fampitana ireo teny voadika any amin'ireo olona kendrena amin'ny fomba rehetra azo anaovana azy.

Anisan'ny lafiny tsara mampiavaka ny rakipahalalana:

  1. Fahafenoana na fahampiana.
  2. Maimaim-poana.
  3. Fandikan-teny maro samihafa.
  4. Fivoarana mitohy.
  5. Fahafehezana.

Dingana fanorenana sy fampivoarana:

  1. Fananganana rakipahalalana amin'ny teny Arabo.
  2. Fandikana ny rakipahalalana amin'ny fiteny maro.
  3. Ny fanisiana sy famoahana elektronika ny rakipahalalana.
  4. Ny fampivoarana mitohy eo amin'ny rakipahalalana sy ny fandikana azy.