عن أبي الدرداء رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ رَدَّ عَنْ عِرْضِ أَخِيهِ رَدَّ اللهُ عَنْ وَجْهِهِ النَّارَ يَوْمَ الْقِيَامَةِ».

[صحيح] - [رواه الترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 1931]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Bou Darda'i (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny andro ny fitsanganana amin’ny maty ”.

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 1931]

Ny fanazavana

Manazava sy milaza Amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa na iza na iza ambaratonga ny Olona mitsangana ka miaro ny voninahitry ny Rahalahiny Isilamo rehefa sendra tsy eo Izy amin'ny fisakanana Azy tsy hanakiana na hanevateva Azy dia hosoron'i Tompo Allah, ny sazy amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fitenenana mombamomba ny voninahitry ny Mpino silamo.
  2. Ny valisoa dia mitovy tantana amin’ny Asa izay natao, fa izay miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro azy amin’ny helo i Tompo Allah.
  3. Ny finoana Isilam dia fivavahan'ny firahalahiana sy fanohanana eo amin'ny samy vahoakany.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)