+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«كان رجلٌ يُدَايِنُ الناسَ، فكان يقول لفتاه: إذا أتيتَ مُعسِرًا فتجاوز عنه، لعل اللهَ يَتجاوزُ عنا، فلقي اللهَ فتجاوز عنه».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1562]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe :
“Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah, ka rehefa nihaona tamin’I Allah izy dia namela ny helony tokoa I Allah.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mitantara amintsika i Mpaminany (saw) : Momba ny lehilahy iray izay miara-miasa amin'ny olona tamin'ny trosa, na nivarotra zavatra tamin'ny trosa. Ary hoy izy tamin'ny mpanampiny izay mpaka trosa tamin'ny olona: Raha tonga mitaky trosa ianao ka tsy manam-bola handoavana ny trosany noho ny tsy fahafahany, dia “mamelà azy”; na amin'ny fanemorana izany na tsy fanerena ny fitakiana, Na amin’ny alàlan’ny fanekena izay ananany, na dia ao anatin’ny tsy fahampiana aza, ary izany no faniriany sy fanantenany fa hamela ny helony sy hamafa ny helony I Allah. Rehefa maty izy, dia namela ny helony I Allah ary tsy nijery ny ratsy nataony.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hatsaram-panahy eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny olona, ​​ny famelan-keloka ary ny fangorahana ny olona sahirana no anisan’ny antony lehibe indrindra maha avotra ny mpanompo iray amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty.
  2. Ny hatsaram-panahy amin’ny zavaboary, ny fahadiovam-po amin’I Allah, ary ny fanantenana ny famindram-pony no anisan’ny antony hahazoana ny famelana ny fahotana.