عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤْمِنينَ رَضِيَ اللهُ عَنْهَا:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَجْتَهِدُ فِي الْعَشْرِ الْأَوَاخِرِ مَا لَا يَجْتَهِدُ فِي غَيْرِهِ.
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1175]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Aicha renin'ny mpino silamo (R.A) niteny manao hoe :
Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa.
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 1175]
Rehefa tonga ny folo andro farany amin'ny volana Ramadany, ny Mpaminany (S.A.W) dia niezaka nanompo sy nankatò, ary nanitatra mihoatra noho ny hatramin'izay ny karazana asa soa, ny karazana asa tsara sy ny fanompoam-pivavahana mihoatra lavitra ny nataony amin'ny fotoana hafa. Izany dia noho ny halehiben'ireo alina ireo sy ny fikatsahana ny Laylat al-Qadri.