عَنْ أَبِي عَبْدِ اللَّهِ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللَّهِ الْأَنْصَارِيِّ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا:
أَنَّ رَجُلًا سَأَلَ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: أَرَأَيْتَ إِذَا صَلَّيْتُ المَكْتُوبَاتِ، وَصُمْتُ رَمَضَانَ، وَأَحْلَلْتُ الحَلَالَ، وَحَرَّمْتُ الحَرَامَ، وَلَمْ أَزِدْ عَلَى ذَلِكَ شَيْئًا، أَأَدْخُلُ الجَنَّةَ؟ قَالَ: «نَعَمْ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [الأربعون النووية: 22]
المزيــد ...
Hoy Abo Abdillah, Jaabir ibn Abdillah Al-Ansowaarii (R.A) niteny hoe :
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Irak'i Tompo Allah (S.A.W) ka niteny hoe : Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety , ka tsy manampy zavatra hafa ambonin'izany intsony, moa ve mety miditra amin'ny Paradisa amin'ny alalany iazany rehetra izany Aho ? Ka namaly Azy Izy niteny hoe : Eny !.
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [الأربعون النووية - 22]
Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay manatanteraka ireo fanompoam-pivavahana dimy izay voadidy Aminy, ary tsy nanampy ankoatr'izany amin'ireo Soalat sounnat, ary nifehy amin'ny volana Ramadany ka tsy nanampy ireo fifadiankanina an-tsitrapo, Mino ny maha mety sy Halal ny zavatra iray ka notanterahiny antsakany sy andavany, ary mino fa voarara ny zavatra iray ka nalaviriny, ka izay Olona manana izany fotokevitra izany dia hiditra ao amin'ny Paradisa.