+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ يَقُمْ لَيْلَةَ الْقَدْرِ إِيمَانًا وَاحْتِسَابًا غُفِرَ لَهُ مَا تَقَدَّمَ مِنْ ذَنْبِهِ»

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 35]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 35]

Ny fanazavana

Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) momba ireo fahasoavan'ny fitsanganana manompo Allah amin'ny alinan'ny lahatra izay hita ao amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary izay miezaka manatanteraka ny Swalat sy fangatahana Douan ary ny famakiana ny Koroany, ary ny fanaovana Zikr, mino sy manantena fahasoavana amin'izany, manantena ihany koa ny valisoa avy amin'Allah amin'ny asa rehetra izay vita, tsy misy fisehosehoana na fireharehana, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahasoavan'ny alin'ny lahatra sy ny fampirisina ny amin'ny fitsanganana hanao asa fanompoana.
  2. Ireo asa soa dia tsy ekena raha tsy miaraka amin'ny fikasana marina.
  3. Fahasoavan'Allah sy ny indrafony, fa izay mitsangana amin'ny alin'ny lahatra amin'ny fanekem-pinoana marina sy ny fanantenana valisoa dia ho voavela ny Ota rehetra izay vitany.