عَنِ ابْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا:
أَنَّ رِجَالًا مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أُرُوا لَيْلَةَ القَدْرِ فِي المَنَامِ فِي السَّبْعِ الأَوَاخِرِ، فَقَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أَرَى رُؤْيَاكُمْ قَدْ تَوَاطَأَتْ فِي السَّبْعِ الأَوَاخِرِ، فَمَنْ كَانَ مُتَحَرِّيهَا فَلْيَتَحَرَّهَا فِي السَّبْعِ الأَوَاخِرِ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 2015]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny :
Nisy iray tamin'ireo mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W) nahita ny Laylat al-Qadr tamin'ny nofy nandritra ny fito alina farany, ary hoy ny irak'Allah hoe : «Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany."
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 2015]
Ny sasany tamin'ireo mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W) dia nahita tamin'ny nofy fa ny Laylat al-Qadri dia hiseho amin'ny alina fito farany amin'ny Ramadany. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Hitako fa tamin’ny alina fito farany tamin’ny Ramadany no nitrangan’ny fahitanao, ka izay mikasa sy mazoto mitady izany, dia tokony hiezaka hitady sy hikatsaka izany amin’ny fanaovana asa soa maro, satria mety ho ao anatin’ny fito alina farany izy ireo, ary manomboka amin’ny alin’ny fahaefatra amby roapolo raha iray volana ny Ramadany dia telopolo andro, ary manomboka amin’ny alin’ny alin’ny fahatelo amby roapolo raha manana sivy amby roapolo andro ny volana.