عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ رَضِيَ اللهُ عَنْهَا قَالَتْ:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا دَخَلَ الْعَشْرُ أَحْيَا اللَّيْلَ، وَأَيْقَظَ أَهْلَهُ، وَجَدَّ وَشَدَّ الْمِئْزَرَ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1174]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1174]

Ny fanazavana

Rehefa niditra ny folo andro farany amin'ny Ramadany dia nandany ny alina manontolo ny Mpaminany (S.A.W) nanao ireo karazana asa fankatoavana isan-karazany, mamoha ny fianakaviany hivavaka, miezaka mafy kokoa amin'ny fanompoam-pivavahana noho ny fanaony teo aloha, manokan-tena amin’izany, ary tsy mikasika ireo vadiny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana hanararaotra ny fotoana tsara amin'ny fanaovana asa tsara.
  2. Hoy i Al-Nawawi : Ao amin'ity hadith ity : Dia tsaratsara ny mampitombo ny fanompoana amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary hamelona indray ny aliny amin'ny fotoam-pivavahana.
  3. Ny mpanompo dia tokony hanentana ny ankohonany amin'ny fibaikoana azy hivavaka, ary hanam-paharetana amin'izy ireo.
  4. Mitaky fahavononana sy faharetana ary fikirizana ny fanaovana asa soa.
  5. Hoy i Al-Nawawi : Tsy nitovy hevitra ny manam_pahaizana momba ny dikan'ny hoe (manamafy ny sikina) dia nisy niteny hoe : Miezaka mafy amin’ny asa fanompoana ho fanampin’ny fahazarany i Mpaminany (S.A.W) izay midika hoe : mihosin-doha amin’ny asa fanompoana, voalaza : Namehy ny sikiny, izany hoe : Nitoka-monina mba hifantoka tsara, izany dia fisitahany amin'ireo vehivavy vadiny noho ny fifantohany betsaka amin'ny asa fanompoana.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (43)