+ -

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ رَضِيَ اللهُ عَنْهَا قَالَتْ:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا دَخَلَ الْعَشْرُ أَحْيَا اللَّيْلَ، وَأَيْقَظَ أَهْلَهُ، وَجَدَّ وَشَدَّ الْمِئْزَرَ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1174]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1174]

Ny fanazavana

Rehefa niditra ny folo andro farany amin'ny Ramadany dia nandany ny alina manontolo ny Mpaminany (S.A.W) nanao ireo karazana asa fankatoavana isan-karazany, mamoha ny fianakaviany hivavaka, miezaka mafy kokoa amin'ny fanompoam-pivavahana noho ny fanaony teo aloha, manokan-tena amin’izany, ary tsy mikasika ireo vadiny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana hanararaotra ny fotoana tsara amin'ny fanaovana asa tsara.
  2. Hoy i Al-Nawawi : Ao amin'ity hadith ity : Dia tsaratsara ny mampitombo ny fanompoana amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary hamelona indray ny aliny amin'ny fotoam-pivavahana.
  3. Ny mpanompo dia tokony hanentana ny ankohonany amin'ny fibaikoana azy hivavaka, ary hanam-paharetana amin'izy ireo.
  4. Mitaky fahavononana sy faharetana ary fikirizana ny fanaovana asa soa.
  5. Hoy i Al-Nawawi : Tsy nitovy hevitra ny manam_pahaizana momba ny dikan'ny hoe (manamafy ny sikina) dia nisy niteny hoe : Miezaka mafy amin’ny asa fanompoana ho fanampin’ny fahazarany i Mpaminany (S.A.W) izay midika hoe : mihosin-doha amin’ny asa fanompoana, voalaza : Namehy ny sikiny, izany hoe : Nitoka-monina mba hifantoka tsara, izany dia fisitahany amin'ireo vehivavy vadiny noho ny fifantohany betsaka amin'ny asa fanompoana.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري Kanadianina Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny