+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«كُلُّ أُمَّتِي يَدْخُلُونَ الْجَنَّةَ إِلَّا مَنْ أَبَى»، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ، وَمَنْ يَأْبَى؟ قَالَ: «مَنْ أَطَاعَنِي دَخَلَ الْجَنَّةَ، وَمَنْ عَصَانِي فَقَدْ أَبَى».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 7280]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) :
"Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny vahoakany rehetra dia hiditra ao amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay tsy manaiky!
Hoy ireo mpanaradia azy : Iza no tsy hanaiky, ry Irak'Allah?
Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) fa hoe : “Izay rehetra manaiky sy manaraka ary mankato ny Irakan’Allah dia izy ireo no hiditra any amin’ny Paradisa, fa izay rehetra nandà ka tsy manaiky ny lalàna dia izy ireo no ho voasakana tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izany noho ny asa ratsiny.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.A.W) dia tafiditra ho fankatoavana an'Allah, ary ny tsy fankatoavana azy dia tafiditra ho tsy fankatoavana an'Allah.
  2. Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.W.A) dia mampiditra ao amin'ny Paradisa, ary ny tsy fankatoavana azy dia mampiditra amin'ny Afobe.
  3. Vaovao mahafaly ho an’ny Olona mpankatò amin’ity vahoaka ity, ary hiditra ao amin’ny Paradisa avokoa izy rehetra afa-tsy izay tsy mankatò an’Allah sy ny Irakan’Allah.
  4. Ny fangoraham-pony Mpaminany (S.W.A) amin'ny vahoakany sy ny fahavonosany hitarika azy ireo.
Fanampiny