1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny foto-pinoana

Resaka “Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنْ رَسُولِ اللهِ صلى الله عليه وسلم أنه قال:
«وَالَّذِي نَفْسُ مُحَمَّدٍ بِيَدِهِ لَا يَسْمَعُ بِي أَحَدٌ مِنْ هَذِهِ الْأُمَّةِ يَهُودِيٌّ وَلَا نَصْرَانِيٌّ، ثُمَّ يَمُوتُ وَلَمْ يُؤْمِنْ بِالَّذِي أُرْسِلْتُ بِهِ إِلَّا كَانَ مِنْ أَصْحَابِ النَّارِ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 153

Ny fanazavana

Mianiana amin'Allah ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona avy amin'ity vahoaka ity, na Jiosy na kristiana na olon-kafa ankoatra azy ireo, nandre sy tonga taminy fiantsoan'ny Mpaminany (S.A.W) ary maty avy eo nefa tsy nino Azy afa-tsy hoe anisan’ireo vahoakan'ny Afobe hitoetra mandrakizay izy.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Fivelaran'ny hafatry ny Mpaminany (S.AW) ho an'izao tontolo izao, ary voadidy ny amin'ny fanarahana azy ary foana daholo ireo lalàna rehetra teo aloha noho ny lalàna izay noentiny.
  2. Izay tsy mino an'i Mpaminany (S.A.W) dia tsy hitondra soa ho azy ny filazàny ny tenany ho mpino ireo mpaminany hafa, tso-dranon'I Allah anie ho azy rehetra.
  3. Izay tsy nandre ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary tsy tonga taminy ny antson'ny finoana silamo, dia tsisy tsiny ho azy, ary ny momba azy any ankoatra dia miankina amin' Allah.
  4. Tanteraka ny fanarahan'ny olona iray ny finoana silamo na dia tao anatin'ny fotoana fohy alohan'ny hahafatesany no nanaovany izany, na dia ao anatin'ny aretina mafy aza, raha mbola tsy tonga aminy ny miady fainana farany mialohan'ny hialan'ny fofonainy.
  5. Ny filazana fa mety ny finoan'ireo tsy mpino - anisan'izany ny Jiosy sy ny Kristianina - dia mahatonga ho tsy mpino.
  6. Ny filazana ny Jiosy sy ny Kristiana - ao amin'ny hadith - dia fanairana amin'ny hafa ankoatra azy roa; Satria ny Jiosy sy ny Kristianina no manana boky, ka raha izany no momba azy ireo dia ny hafa tsy manana boky no lohalaharana kokoa amin'izany, ka izy rehetra dia takina aminy ny tsy maintsy hiditra ny finoan'i Mpaminany (S.A.W) sy hankato azy.

Fanehoana ny dikan-teny

59 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
JA 日本語 اليابانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
YO Yorùbá اليوروبا
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
SO Soomaali الصومالية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UZ O‘zbek الأوزبكية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية