Ny sokajy: Ny foto-pinoana .
+ -

عن أبي موسى رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«إِنَّ اللهَ لَيُمْلِي لِلظَّالِمِ، حَتَّى إِذَا أَخَذَهُ لَمْ يُفْلِتْهُ» قَالَ: ثُمَّ قَرَأَ: «{وَكَذَلِكَ أَخْذُ رَبِّكَ إِذَا أَخَذَ الْقُرَى وَهِيَ ظَالِمَةٌ إِنَّ أَخْذَهُ أَلِيمٌ شَدِيدٌ}[هود: 102]»

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 4686]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou moussa (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitohizan’ny fanaovana ny tsy rariny amin’ny alàlan’ny fahotana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fanambakana ny olona amin’ny zon’izy ireo. Tompo Allah ilay Tsitoha dia manome fotoana ho an’ny mpanao ratsy, mampitarazoka azy, ary manalava ny androm-piainany sy ny fananany, ka tsy manafaingana ny famaizana azy. Raha tsy mibebaka ialy mpanao ny tsy rariny, dia hosazin'i Allah ary tsy havelany intsony noho ny tsy rariny nataony.
Avy eo izy miteny hoe : (Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny) [hòd :102]".

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny olona manan-tsaina dia miroso avy hatrany amin'ny fibebahana, ary tsy misy olona mahazo antoka fa hilamina amin'ny sazin'i Allah raha mbola miaina ao anatin'ny tsy rariny.
  2. Fanomezan'i Allah fotoana fohy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny ary tsy famaizana azy ireo haingana saingy hampitomboiny kosa ilay sazy raha tsy miroso amin'ny fibebahana izy ireo.
  3. Ny fanaovana ny tsy rariny dia anisan’ny antony nanasazian’Allah ny vahoaka sy ny firenena.
  4. Raha mandrava tanàna iray i Allah dia mety hisy olo-marina sy tsara ao, Saingy hatsangana amin’ny maty izy ireo amin’ny andro farany noho ny fahamarinana izay nahafaty azy, ary tsy haharatsy azy ireo izany raha toa ka tafiditra tao anatin’ny famaizana.