+ -

عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما أن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«الرَّاحِمُونَ يَرْحَمُهمُ الرَّحمنُ، ارحَمُوا أهلَ الأرضِ يَرْحْمْكُم مَن في السّماء».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي وأحمد] - [سنن أبي داود: 4941]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad]

Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo izay miantra ny hafa dia hamindra fo aminy ilay Be indrafo, amin'ny alalan'ny famindram-pony izay mandrakotra ny zava-drehetra, valisoa mifanaraka.
Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) nandidy ny amin'ny famindram-po ho an'ny zavatra rehetra eto an-tany, na olona, ​​na biby, na vorona, na karazana zavaboary hafa, ary ny valisoa amin'izany dia Allah avy any ambony any an-danitra hamindra fo aminao.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana silamo dia finoan'ny famindram-po, ary mifototra tanteraka amin'ny fankatoavana an'Allah sy ny hatsaram-panahy amin'ny zavaboary.
  2. Allah ilay Tsitoha dia manana ny toetoetra mpamindra-fo, ary Izy Ilay Be fiantrana, Be famindram-po, Ilay mampita ny famindram-po amin'ny mpanompony.
  3. Ny valisoa dia mitovy amin'ny asa natao, ka izay mamindra fo dia hamindra fo aminy Allah.