عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما أن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«الرَّاحِمُونَ يَرْحَمُهمُ الرَّحمنُ، ارحَمُوا أهلَ الأرضِ يَرْحْمْكُم مَن في السّماء».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي وأحمد] - [سنن أبي داود: 4941]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 4941]

Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo izay miantra ny hafa dia hamindra fo aminy ilay Be indrafo, amin'ny alalan'ny famindram-pony izay mandrakotra ny zava-drehetra, valisoa mifanaraka.
Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) nandidy ny amin'ny famindram-po ho an'ny zavatra rehetra eto an-tany, na olona, ​​na biby, na vorona, na karazana zavaboary hafa, ary ny valisoa amin'izany dia Allah avy any ambony any an-danitra hamindra fo aminao.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana silamo dia finoan'ny famindram-po, ary mifototra tanteraka amin'ny fankatoavana an'Allah sy ny hatsaram-panahy amin'ny zavaboary.
  2. Allah ilay Tsitoha dia manana ny toetoetra mpamindra-fo, ary Izy Ilay Be fiantrana, Be famindram-po, Ilay mampita ny famindram-po amin'ny mpanompony.
  3. Ny valisoa dia mitovy amin'ny asa natao, ka izay mamindra fo dia hamindra fo aminy Allah.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (58)