+ -

عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«إِنَّ الْمُقْسِطِينَ عِنْدَ اللهِ عَلَى مَنَابِرَ مِنْ نُورٍ، عَنْ يَمِينِ الرَّحْمَنِ عَزَّ وَجَلَّ، وَكِلْتَا يَدَيْهِ يَمِينٌ، الَّذِينَ يَعْدِلُونَ فِي حُكْمِهِمْ وَأَهْلِيهِمْ وَمَا وَلُوا».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1827]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) :
“Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa, Ireo izay marina amin’ny fitsarany, sy amin'ny fianakaviany, ary ireo izay iadidiany».

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa ireo izay mitsara ara-drariny sy am-pahamarinana eo amin'ny olombelona ambany fifehezany sy ny fitondrany ary ny fianakaviany, dia izy ireny no voalaza fa hipetraka amin’ny seza avo, ambony izay vita tamin’ny fahazavana, ho fanomezam-boninahitra azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty. Ireo lampihazo ireo dia eo an-kavanan’ilay Be famindrampo, ilay Avo Indrindra, ary ny tànan'Allah roa, dia ankavanana avokoa.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hatsaran'ny rariny sy ny famporisihana amin'ny fanaovana azy.
  2. Ny rariny amin'ny ankapobeny dia midadasika amin'ireo Rafim-panjakana rehetra sy ny ao amin'ny didim-pitsarana eo amin'ny olombelona, ​​eny fa na dia eo amin'ny vady sy ny zanaka ary ny ankoatrany.
  3. Fanazavana ny toeran’ireo alo-marina amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty.
  4. Ny toeran’ireo olona manam-pinoana dia hiovaova amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, arakaraky ny asa vitany.
  5. Ny fampitsiriritana dia iray amin'ireo fomba fitorian-teny izay mampitsirirtra ny olona antsoina ho amin'ny fankatoavana.