+ -

عن أبي ذر رضي الله عنه قال: قال لي النبي صلى الله عليه وسلم:
«لَا تَحْقِرَنَّ مِنَ الْمَعْرُوفِ شَيْئًا، وَلَوْ أَنْ تَلْقَى أَخَاكَ بِوَجْهٍ طَلْقٍ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2626]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abi Zarry (R.A) niteny : Niteny tamiko i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no rehefa mifanena amin'ny rahalahinao."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Tsy mitsahatra mamporisika Antsika hanao ny Asa soa sy tsy hanao tsinontsinona an'ireo Asa izany i Mpaminany (S.W.A), na dia hita fa kely aza izany Asa izany, anisan’izany ny tsiky amin'ny fomba malalaka rehefa mihaona amin’ny Olona, ka tokony hitandrina amin'izany ny Isilamo. Satria mampionona ny Rahalahy Isilamo izany ary mitondra fifaliana ho Azy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin’ny Fifankatiavana eo amin’ny samy Mpino, sy ny fitsiky sy ny fanomezana vaovao mahafaly rehefa mifanena.
  2. Ny fahafenoana sy ny fahalavorariana an'ity lalàna ity, ary izy ity nitondra ny zava-drehetra ho tombontsoan'ny Isilamo sy ny fampiraisana ny teniny.
  3. Famporisihana ny Olona hanao Asa soa na dia kely aza.
  4. Irina ny hitondra fahasambarana sy haravoana ho an'ny Mpino Isilamo; Satria manampy amin'ny fifankahazoana eo amin'ny samy izy ireo izany.