عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا تَبْدَؤوا الْيَهُودَ وَلَا النَّصَارَى بِالسَّلَامِ، فَإِذَا لَقِيتُمْ أَحَدَهُمْ فِي طَرِيقٍ فَاضْطَرُّوهُ إِلَى أَضْيَقِهِ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2167]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Aza miarahaba voalohany ireo Jiosy na Kristiana, fa raha mifanena amin'ny anankiray amin'izy ireo eny an-dàlana ianareo, dia tereo amin'ny làlana tery izy ireo."
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2167]
Nandrara ny fanombohana ny fiarahabana ireo jiosy sy ny kristiana i Mpaminany (S.A.W) tsy hanomboka amin'ny fiarahabana, na dia eo amin'ny tanin'ny silamo aza izy ireo. Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa raha mifanena amin’izy ireo eny an-dàlana isika dia voatery manery azy ireo ho amin’ny làlana tery indrindra. Ny mpino no mandeha eo afovoan-dàlana, fa ny tsy mpino no mivily, ary ny silamo dia tsy manaiky na inona na inona toe-javatra ho ambany.