+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«حَقُّ الْمُسْلِمِ عَلَى الْمُسْلِمِ خَمْسٌ: رَدُّ السَّلَامِ، وَعِيَادَةُ الْمَرِيضِ، وَاتِّبَاعُ الْجَنَائِزِ، وَإِجَابَةُ الدَّعْوَةِ، وَتَشْمِيتُ الْعَاطِسِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1240]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe :
“Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Manazava ny ampahany amin'ireo zon'ny silamo amin'ny rahalahiny silamo i Mpaminany (saw). Ny voalohany amin'ireo zo ireo dia ny mamaly ny fiarahabana amin'izay miarahaba anao.
Ny zo faharoa : Famangiana ny marary sy ny fitsidihana azy.
Ny zo fahatelo : Manaraka ny faty avy ao an-tranony ka mankany amin’ny toeram-pivavahana avy eo dia mitohy mankany amin’ny fasana mandra-pandevenana azy.
ny zo faha-efatra : Mamaly ny fanasana raha manasa anao amin'ny fampiakaram-bady sy ny hafa.
Ny zo fahadimy : Fangataham-pitahina ho an'ny olona mievina, izany dia amin'ny alàlan'ny fitenenana hoe : "YARHAMOKALLAHO" raha avy nidera an'I Allah izy. Ary mamaly ilay mpievina hoe : "Yahdikommolaho Wa yosliho Baalakom", Izay midika hoe : Allah anie hitari-dàlana anao sy handamina ny sainao.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny halehiben'ny finoana silamo amin'ny fanamafisana ny zo eo amin'ny samy mpino silamo sy ny fanamafisana ny firahalahiana ary ny fifankatiavana eo amin'izy ireo.