عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤْمنينَ رَضيَ اللهُ عنها قَالَت:
قُلْتُ لِلنَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: حَسْبُكَ مِنْ صَفِيَّةَ كَذَا وَكَذَا، -قَالَ أَحدُ الرُّوَاةِ: تَعْنِي قَصِيرَةً- فَقَالَ: «لَقَدْ قُلْتِ كَلِمَةً لَوْ مُزِجَتْ بِمَاءِ الْبَحْرِ لَمَزَجَتْهُ» قَالَتْ: وَحَكَيْتُ لَهُ إِنْسَانًا، فَقَالَ: «مَا أُحِبُّ أَنِّي حَكَيْتُ إِنْسَانًا وَأَنَّ لِي كَذَا وَكَذَا».
[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي وأحمد] - [سنن أبي داود: 4875]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : Ampy ho anao ny avy amin'i Safiyya izao sy izao, hoy ny fitantarana hafa hoe : Izy dia fohy - Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.” Hoy izy : “Nolazaiko taminy ny momba ny olona iray, dia niteny i Mpaminany (SAW) : “Tsy tiako ny miresaka momba olona, ary tsy tiako ny miteny hoe Izao sy izao.”
[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 4875]
Niteny tamin'ny Mpaminany (S.A.W) i Aicha (RA) renin'ny mpino, hoe : Ampy ho anao izany avy amin'i Safiyya - midika hoe fa ny kilema ara-batan'i Swafya Renin'ny mpino dia fohy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : Nilaza teny iray ianao ka raha nafangaro amin'ny rano an-dranomasina izany dia handresy azy, hanova azy ary hanimba azy. Niteny i Aicha (R.A) : Manao toy ny ataon'ny olombelona mba milaza ny momba azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Tsy mahafaly ahy ny hiresaka momba ny kilemany, na hanahaka azy ary hanao toy ny ataony na hiteny mitovy amin'ny teniny amin'ny fomba fanambaniana, na dia nomena zavatra be dia be eto amin'izao tontolo izao aza aho.