+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«حُجِبَتِ النَّارُ بِالشَّهَوَاتِ، وَحُجِبَتِ الْجَنَّةُ بِالْمَكَارِهِ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 6487]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe :
“Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (saw) fa ny afobe dia voadidin'ny zavatra irin'ny fanahy, toy ny fanaovana zavatra voarara na ny fanaovana tsirambina ny adidy. Na iza na iza manaraka ny sitrapony sy ny faniriany amin'izany dia mendrika azy ny Afo. Ary tena marina fa io Paradisa io dia voahodidina zavatra halan’ny fanahy; Toy ny fikirizana amin’ireo fanompoana nodidiana, miala amin’ny zava-boarara, ary faharetana amin’izany, ka raha mifofofofo sy miezaka mafy amin’izany izy dia mendrika ny hiditra any amin’ny Paradisa.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Isan'ireo antony maharendrika ny olona ao anatin'ny fahafinaretana dia ny fanaingoan'ny devoly ny zavatra ratsy sy ny fahotana, lasa hitan'ny olona tsara izany ka mirona makany aminy.
  2. Ny baiko fialana amin'ny faniriana voarara; satria izy io no lalana mankany amin’ny Afobe, ary faharetana manoloana ny fahasahiranana; satria io no lalana mankany amin'ny Paradisa.
  3. Ny hasin'ny tolona atao amin'ny sitra-po, sy ny fiezahana amin'ny fanompoana, ary ny faharetana amin'ireo fahasahiranana sy ny fijaliana izay miodidina ny fankatoavana.