عن سهل بن سعد رضي الله عنه عن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ يَضْمَنْ لِي مَا بَيْنَ لَحْيَيْهِ وَمَا بَيْنَ رِجْلَيْهِ أَضْمَنْ لَهُ الْجَنَّةَ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 6474]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i SAHLI IBN SAAD (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe :
"Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 6474]

Ny fanazavana

Milaza zavatra roa i Mpaminany (S.A.W), ka raha mitandrina mafy amin'izany ny silamo dia hiditra any amin'ny paradisa izy.
Voalohany : Mamehy ny lela tsy hiteny izay mahatezitra an’i Allah ilay Tsitoha.
Ny faharoa : Fiarovana ny taovam-pananahana mba tsy ho latsaka amin’ny fijangajangana.
Satria ireo rantsambatana roa ireo dia matetika mampilatsaka ny olona amin'ny fahotana.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fiarovana ny lela sy ny fitaovam-pananahana dia fomba iray mety hidirana ao amin’ny Paradisa.
  2. Nolazainy manokana ny lela sy ny henatra satria izy ireo no loharanon’ny fahoriana lehibe indrindra ho an’ny olombelona eto an-tany sy ny any ankoatra.
Fanehoana ny dikan-teny
Ny Fiteny: الإنجليزية الأوردية الإسبانية Ny Fanampiny (69)