عن جابر بن عبد الله رضي الله عنهما قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«مَنْ لَقِيَ اللهَ لَا يُشْرِكُ بِهِ شَيْئًا دَخَلَ الْجَنَّةَ، وَمَنْ لَقِيَهُ يُشْرِكُ بِهِ دَخَلَ النَّارَ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 93]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i JABRIR IBN Abdillahi (R,A) Niteny ka nanao hoe : Izaho dia naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) Niteny nanao hoe :
"Izay mihaona amin'i Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 93]

Ny fanazavana

Milaza mazava tsara i Mpaminany (S.A.W) fa izay maty tsy nanompo sampy, dia mizotra makany amin'ny Paradisa. Na dia hanasazy azy amin'ireo ampahan'ny fahotany aza. Fa izay maty nampitambatra Azy amin'ny zavatra hafa kosa dia hijanona mandrakizay ao amin'ny Afobe.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahasoavan'ny fanokanana an'i Allah, ary izy io no antony lehibe manavotra amin'ny fidirana mandrakizay ao amin'ny Afobe.
  2. Fanakakaizana ny Paradisa sy ny Afobe amin'ny mpanompo iray, ary tsy misy manelanelana izany afa tsy ny fahafatesana.
  3. Fampitandremana amin'ny fanompoan-tsampy, na kely na lehibe; Satria ny fanavotana amin'ny afo dia amin'ny alàlan'ny fiatahana aminy.
  4. Ny tena zava-dehibe amin'ny asa atao dia ilay asa nataonao farany.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)