Tena marina fa ny tsirairay Aminareo dia mandalo dingana maromaro ny fiforonany ao an-kibon-dreniny, efapolo andro
Izay namorina zava-baovao amin’ity finoanay ity nefa tsy ao anatiny dia haverina Aminy izany zavatra izany
Izay zavatra rehetra nandrarako Anareo dia ihatahonareo, ary izay zavatra rehetra nanirahako Anareo dia ataovinareo izay mety vitanareo
Ry olombelona, Tompo Allah dia madio, ary tsy mandray (asa) afa tsy izay madio ihany, ary hamafisina fa ny zavatra nanirahan’I Allah ireo Iraka
O rankizy ! Ireto misy teny maromaro hampianariko Anao: Arovy ireo didin'i Tompo Allah dia hiaro Anao Izy; arovy ireo didin'i Tompo Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka zavatra Ianao dia mangataha amin'i Tompo Allah
lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”
Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety
Manoro hevitra Anareo Aho ny mba hatahotra an'i Tompo Allah, ary hihaino sy hendry ary hankatò Azy, ary raha misy andevo voatendry hifehy sy hibaiko ary hitondra Anareo dia ankatoavinareo izany. Fa izay mbola ho velona sy hahazo fivelomana lava Aminareo avy ao aoriako dia hahita ny olana sy disadisa ary tsy fitovian-kevitra be dia be. Koa arahonareo ihany ny Sonnah-ko sy ny Sonnahn'ireo Kalifa Mpitari-dalana Anareo,
Lehibe tokoa izany zavatra anontanianao Ahy izany, saingy mora izany ho an'izay Olona nanamoran'i Tompo Allah azy
Tena marina fa i Tompo Allah dia niteny hoe: Izay mandray sakaizako (Olona Mpino matahotra an'i Tompo Allah) ho fahavalony, dia efa mampilaza ady Aminy Aho. Tsy misy zavatra ataon'ny mpanompoko anakaikezana Ahy tiako mihoatra ny fanaovany an'izay nandidiako Azy
Tsy ho feno ny finoan'ny Olona iray Aminareo, raha tsy manaraka an'izay nentiko ny sitrapony manontolo
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy
“Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe
Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana
Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany
Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza
Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy
“Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza
“Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”
“Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana
ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'i Allah
“ Aza mihoa-pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Allah no sady Iraka avy Aminy
Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny
Izay mihaona amin'i Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe
izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe
Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony
“Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo
Eny tokoa, fa i Tompo Allah dia nanoratra ny Asa tsara sy ny Asa ratsy, ary avy eo dia nazavainy avokoa izany. , ka na iza na iza mikasa ny hanao Asa soa nefa raha tsy nahavita nanao izany Izy, dia lasa efa nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa tanteraka izany, fa raha nikasa hanao izany Izy, dia nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa folo izany, ka hatramin’ny Fito in-jato, na im-betsaka, ary na iza na iza mikasa ny hanao ratsy nefa tsy nanao izany, dia hosoratan’i Tompo Allah ho Asa tsara tanteraka izany ary nosoratany ho Asa ratsy iray ho Azy izany .”
Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny
Ny Islam dia ny fijoronao vavolombelona fa tsy misy tompo afa tsy i Allah irery ihany ary i Mouhammad (S.A.W) no Irany, ny fanangananao ny Swalat, ny famoahanao ny ampahan-karena na ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadan, ary ny fivahiniana masina any Makkat raha manan-katao amin'izany ianao
Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo
O ry ankizy! hampianariko teny maromaro ianao : Arovy Allah dia hiaro anao Izy; Arovy Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka ianao dia mangataha amin'Allah; raha hangata-pitahiana kosa ianao dia mangataha fitahiana amin'Allah
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao
Tsy azo atao ny mandao (mirafy) ny rahalahiny mihoatra ny telo alina, rehefa mifankahita izy ireo, ary mandà izy roa lahy, mifanome lamosina ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia izay manomboka miarahaba manao ny Salamo
Izay manao Ratsy, dia i Allah no hamaly sy hanisy ratsy Azy, ary izay mametra-tena ho mafy dia ho mafy Aminy i Tompo Allah
Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy
Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony
Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana
“Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy
Izay mankany amin’ny mpisikidy ka manontany azy ny amin’ny zavatra iray, dia tsy ho voaray ny vavaka Swalat izay nataony mandritra ny efapolo alina”
Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ny ody
Ny Imany na ny finoana dia manana sampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana
Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana azy dia any amin'ny Tompo Allah
“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”
“Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny
ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato
Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe
Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany
Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske
Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana
izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany
Hitanao, raha toa ka manatanteraka an'ireo fanompoam-pivavahana Soalat izay voadidy Amiko Aho, ary manatanteraka ihany koa ny fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany, ary nanaja tsara ny ara-dalàna izany hoe : (ireo zavatra HALAL) sy nisitaka avokoa an'ireo zava-boarara izany hoe : (ireo zavatra HARAM), ka tsy manampy amin'izany intsony, Moa ve ahazo an-jara hiditra ao amin'ny Paradisa ny Tenako?, Namaly azy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Eny", Nilaza izy no sady nanao fianiana amin'ny Tompo Allah fa hoe : Tena marina aho fa tsy hanampy mihoatra izany intsony
Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
Moave misy olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika
fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza
Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe
lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”
Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany
Nosaratan'i Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona
Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina
Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”
Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka
Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?”
“Tsy ho lazaiko aminareo va momba ny mesia sandoka izay tsy nisy mpaminany tsy nilaza tamin’ny vahoakany? izy io dia toka-maso, ary miaraka aminy ny paradisa sy ny afo,
“Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.”
“Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”
Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona
Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany
Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana
hoy izahay : Ianao no lehibenay. Dia namaly izy hoe : "Ily lehibe indrindra dia I Allah", Dia hoy izahay : Ny tena be voninahitra indrindra aminay, ary be fanolorana sy voninahitra sy fahamboniana, Dia namaly izy: “Lazao izay lazainareo, na izay tianareo lazaina, fa aza avela haka fanahy anareo ny Satana”
“Ry olombelona, mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana
Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona
“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’i Allah koa”
“Manatòna ary mialà, ary fantaro fa tsy hisy aminareo ho voavonjy amin’ny alàlan'ny asany.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah, Eny na ianao aza? Namaly izy hoe : “Eny na dia izaho aza, raha tsy Allah mandrotsaka amiko ny famindram-pony sy ny fahasoavany”
“Tsy misy Mpaminany izay nirahin’I Allah ho amin’ny vahoaka iray teo alohako, afa-tsy hoe manana mpanara-dia amin'ny vahoakany izy, izay namana mandray tsara ny fomba amam-panaony sy manatanteraka izany,
“Tsy ho lazaiko aminareo va ny momba ny mponin’ny Paradisa? Ny olona malemy fanahy sy manetry tena, raha mianiana amin'IAllah izy dia hovalinay, tsy hambarako aminao ve ny momba ny olon'ny helo : Dia izay miavonavona sy manambony tena
Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty
ka ahoana no hanaovanay ny velirano aminao? Dia hoy izy : “Amin'ny fanompoana an'I Allah ka tsy hampitambatra Azy na amin’inona na amin’inona, sy ny soalat dimy isan’andro, ary hankatò - ary niteny mora kely izy — ary aza mangataka na inona na inona amin’ny olona.”
“Rehefa anontaniana ny mpino silamo iray ao am-pasana dia : Mijoro ho vavolombelona izy fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah
Nodidiana aho hiady amin'ny olona mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia irak'Allah, ary manangana ny soalat sy mandoa zakat
Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo
“Amin’ny andron’ny fitsanganana amin’ny maty, ny mpino dia hanatona ny Tompony, ilay mahery sy be voninahitra, mandra-pametrahany ny saronany eo amboniny sy hiaiky ny fahotany
Ry olombelona, Tompo Allah dia madio, ary tsy mandray (asa) afa tsy izay madio ihany, ary hamafisina fa ny zavatra nanirahan’I Allah ireo Iraka
Aza vonoina izy, fa raha mamono azy ianao dia ho eo amin'ny toerana nisy anao izy talohan'ny namonoana azy, ary ianao no ho eo amin'ny toerany talohan'ny nitenenany ny teny nolazainy io
“Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy
“Homeko ity faneva ity lehilahy iray mitia an’I Allah sy ny irany, ary Allah dia hanome fandresena eo am-pelatànany.”
Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo
“Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”
Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako
“Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’i Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa
Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, dia hanaraka ny làlan’ireo teo alohanareo tokoa ianareo
Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) niresaka taminy momba ny zavatra iray, dia hoy izy : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao." Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nataonao mitovy tantana amin'Allah aho?” Lazao fotsiny hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany”
Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah
nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany
Izay olona nifahavalo amin'olon-tiako dia efa niantso ady aminy Aho, ny zavatra izay farany tiako tanterahin'ny mpanompoko mba hanantonany ahy dia ireo zavatra nataoko didy aminy
Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty
“Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa izay tokony haloany, raha tsy amin’ny Andron’ny Fitsanganana amin’ny maty no hovelarana takela-afo
“Tsy misy na dia iray aza aminareo afa-tsy hoe hiresahan'i Allah mivantana, ary tsy misy mpandika teny
rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”
“Tompo Allah dia hiteny amin’ny mponin’ny Paradisa hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa ô!? Hoy izy ireo : Eny, mamaly ny antsonay ry Tomponay, dia hoy I Allah : "Moave afa-po ianareo? Hoy izy ireo : “Nahoana izahay no tsy afa-po rehefa nomenao izay tsy nomenao na iza na iza teo amin’ny zavaboarinao?
“Tsy misy olona miampanga ny hafa ho amin’ny fahalotoam-pitondran_tena, ary tsy miampanga ny hafa ho tsy mino, dia hiverina aminy ihany izany, raha tsy toy izany ny namany niampangany.”
Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah
Izay naheno AZAN ka niteny an’ity Doan ity hoe : Allahomma Rabba Hazihi Daawatit Tammat Wa swalatil Qaaiima Aati Mohammadan Al-Wassilat Wal Fadhilat Wab’athho Maqaaman Mahmodan Allazi Waad’taho, Dia hahazo fanelanelana avy amiko izy amin’ny andro fitsanganana (andro fitsarana)
“Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”
Hoy ny irak'Allah tamin'I Abo Bakr sy Omar (R.A) manao hoe : "Ireo no lehiben'ny zoky olona rehetra ao amin'ny Paradisa, ny rehetra tany aloha sy ny aty aoriana, afa-tsy ireo Mpaminany sy ny Iraka
“Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity
izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”
fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy
izahay dia mahatsapa zavatra mavesatra amin'ny Tenanay ny hiresaka izany, Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " efa nahazo Anareo ve izany ? " Namaly izy ireo: Eny, Hoy Izy : " izany no fahamarinan'ny finoana
“ Manatona ny iray Aminareo i Satana ka Miteny manao hoe : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Koa rehefa tonga amin'izany izy, dia aoka hitady fiarovana amin’i Tompo Allah Ianao ary hitsahatra avy hatrany
“ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra
Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany
Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo
Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray
“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”
Tsy ho tonga no sady tsy ho avy mihitsy ny Andro farany raha tsy miady amin'ny Jiosy avokoa Ianareo, mandra-pahatongavan'ny vato izay hiafenan'ny Jiosy hiteny hoe : Ry Mpino, misy Jiosy ao aoriako, ka vonoy Izy
Mianina aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Efa hidina eo aminareo ho mpitsara marina i zanak'i Maria, ka hanapaka ny hazo fijaliana, hamono ny kisoa, hanala ny hetra, ary hampamaro ny harena ka tsy misy handray azy intsony ny olona
Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra
“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”
Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk
“Hitoetra eo amin’ny dobo Aho mandra-pahitako izay tonga Aminareo hamaly Ahy, ary hisy andian'Olona ho sakanana amin'izany, ka Hiteny Aho amin'izany fotoana izany ny hoe : Tompo ô, avy Amiko sy vahoakako Iny
Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.A.W) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra
Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina
Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana
Rehefa nodidin'i Allah ho faty any amin'ny toerana iray ny mpanompony dia hataon'i Allah lasa misy antondiany any amin'io toerana io
Niteny zavatra i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy manao hoe : “ Io dia amin’ny fotoanan’ny fanjavonan’ny fahalalana
Aza mino ny Olon’ny Boky Ianareo ary aza lavina ihany koa ny voalazan'izy ireo, Saingy lazao fotsiny ny hoe : { Mino an'i Tompo Allah Izahay sy ireo izay nampidininy Aminay }
Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo
moa va ilay nampandeha Azy tamin'ny tongony roa tsy hahavita hampandeha Azy indray amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany
Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany
Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay
Mandehana any ary lazao aminy hoe : Tsy isan'ny mponin’ny Afobe ianao, fa ho ao anisan’ny olon’ny Paradisa
“Hisy olona any amin’ny faran’ny vahoakako hilaza aminareo zavatra izay tsy nohenonareo sy ny razanareo, koa tandremo tsara ianareo ny amin'izy ireo.”
Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy aminy afa-tsy ny fahamarinana ihany”
“Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy
izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo
Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'i Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy
Fantatro fa vato ianao, sady tsy manimba no tsy mahasoa, ary raha tsy nahita ny Mpaminany (S.A.W) nanoroka anao aho dia tsy nanoroka anao velively
“Rehefa misy ny razana ka entin’ny lehilahy eo am-bozon’izy ireo izany, dia raha olona mpanao soa izy, dia hilaza hoe : Ento mandroso haingana aho,
“Amin’ny andro farany, dia hanakaiky ny zavaboary ny masoandro mandra-pahatongan’ny halavirana iray maily (metatra) amin’izy ireo.”
Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba
“Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy”
“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf
“Tsy atokisanareo ve aho, nefa izaho azo itokisana amin'izay hafatra avy any an-danitra, ary tonga eo amiko ny fanambarana avy any an-danitra maraina sy hariva.”
avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany
I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra
“Hisy antokon’ny vahoakako hahery, mandra-pahatongan’ny didin’I Allah aminy, ary mbola mandresy izy ireo”
“Izay milaza amin’ny rahalahiny hoe : o ry tsy mpino, dia tanteraka amin'iray tamin’izy roa, raha tsy izany dia haverina aminy ny teniny