عَنْ حَارِثَةَ بْنِ وَهْبٍ الخُزَاعِيِّ رضي الله عنه قَالَ: سَمِعْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«أَلاَ أُخْبِرُكُمْ بِأَهْلِ الجَنَّةِ؟ كُلُّ ضَعِيفٍ مُتَضَعِّفٍ، لَوْ أَقْسَمَ عَلَى اللَّهِ لَأَبَرَّهُ، أَلاَ أُخْبِرُكُمْ بِأَهْلِ النَّارِ: كُلُّ عُتُلٍّ جَوَّاظٍ مُسْتَكْبِرٍ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 4918]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Haritha bin Wahb Al-Khoza'i (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“Tsy ho lazaiko aminareo va ny momba ny mponin’ny Paradisa? Ny olona malemy fanahy sy manetry tena, raha mianiana amin'IAllah izy dia hovalinay, tsy hambarako aminao ve ny momba ny olon'ny helo : Dia izay miavonavona sy manambony tena".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 4918]
Notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) ny sasany amin'ireo toetran'ny mponin'ny Paradisa sy ny mponin'ny afobe.
Ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny Paradisa dia : “ny olona malemy fanahy sy manetry tena”, izany hoe : manetry tena sy manaiky an’I Allah ilay Tsitoha, manetry tena eo anatrehany, hany ka misy ampahan'ny olona manao tsy rariny aminy sy manao tsinontsinona azy, ary io mpanetry tena io raha nianiana tamin’I Allah noho ny fanantenana ny fahalalahan-tanan’I Allah ilay Tsitoha, dia ho tsara fanahy aminy Allah ary hanatanteraka izay nianianany taminy.
Ny ankabeazan'ny mponin'ny helo dia : ny olona izay "be vava", izany hoe tsy mahalala fomba, masiaka, ary tena tia ady, na ny olona vetaveta tsy milefitra amin'ny tsara, "jawaz", izay miavonavona, manana vatana lehibe, manambony tena amin’ny famindrany, ary ratsy toetra, “manambony tena” amin’ny fandavany ny fahamarinana sy ny fanamavoana ny hafa.