+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ أَنْظَرَ مُعْسِرًا، أَوْ وَضَعَ لَهُ، أَظَلَّهُ اللهُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ تَحْتَ ظِلِّ عَرْشِهِ يَوْمَ لَا ظِلَّ إِلَّا ظِلُّهُ».

[صحيح] - [رواه الترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 1306]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Huoraira (R.A), Niteny i Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
"Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad]

Ny fanazavana

Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay nanome fe-potoana fanampiny olona anànany trosa na koa namela Azy amin'izany trosa izany, valisoany dia : i Allah hanome azy halokaloka eo ambanin'ny seza fiandrianany amin'ny andro farany, rehefa midina hanatona ny lohan'ny mpanompony ny masoandro ary hahery vaika izany, Tsy misy mahazo alokaloka afa-tsy izay omen'Allah alokaloka ihany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahasoavan'ny fanamorana atao amin'ny mpanompon'i Allah ilay Avo Tsitoha, ary iray amin’ireo antony hahazoana famonjena manoloana ny fahasahiranana lehibe amin'ny andro fitsanganana amin’ny maty.
  2. Ny valisoa dia mifanaraka amin'ny asa atao.