عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ رَضيَ اللهُ عنهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«يَا أَبَا سَعِيدٍ، مَنْ رَضِيَ بِاللهِ رَبًّا، وَبِالْإِسْلَامِ دِينًا، وَبِمُحَمَّدٍ نَبِيًّا، وَجَبَتْ لَهُ الْجَنَّةُ»، فَعَجِبَ لَهَا أَبُو سَعِيدٍ، فَقَالَ: أَعِدْهَا عَلَيَّ يَا رَسُولَ اللهِ، فَفَعَلَ، ثُمَّ قَالَ: «وَأُخْرَى يُرْفَعُ بِهَا الْعَبْدُ مِائَةَ دَرَجَةٍ فِي الْجَنَّةِ، مَا بَيْنَ كُلِّ دَرَجَتَيْنِ كَمَا بَيْنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ»، قَالَ: وَمَا هِيَ يَا رَسُولَ اللهِ؟ قَالَ: «الْجِهَادُ فِي سَبِيلِ اللهِ، الْجِهَادُ فِي سَبِيلِ اللهِ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1884]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe :
“Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.” Dia talanjona i Abo Sa’id ka niteny manao hoe : Avereno amiko ry irak’Allah, dia naveriny, avy eo izy niteny hoe : “Ary ny iray hafa izay hampiakarana ny haavon’ny mpanompo ao amin’ny Paradisa ho zato avo heny, ary isaky ny haavony dia mitovy ny elanelan’ny lanitra sy ny tany .” Hoy i Said hoe : Inona izany ry irak’Allah? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Jihad ho an'I Allah, jiady ho an'I Allah."
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 1884]
Nilaza tamin'i Abo Saeed Al-Khodri ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mino an'I Allah ka mankasitraka Azy amin'ny maha-Tompo azy, Andriamanitra, Tompon'ny Tompo, Mpitarika, Ny silamo amin’ny maha-fivavahana azy amin’ny fanekena sy finoana ny didiny sy ny fandrarana rehetra ao aminy, ary i Mohamad (S.A.W) amin’ny maha-mpaminany azy amin’ny zavatra rehetra nirahina sy nampitaina azy; dia hamafisina fa ho azy ny Paradisa, dia talanjona tamin’izany i Abo Saeed (R.A) ka niteny : Avereno amiko fanindroany ry Irak'Allah, dia naveriny, avy eo niteny i Mpaminany hoe : "Manana toetra hafa aho izay hanandratan'I Allah ny mpanompony zato ambaratonga ao amin'ny Paradisa, ary ny elanelana misy eo amin'ny ambaratonga roa dia toy ny elanelan'ny lanitra sy ny tany. Niteny i Abo said : inona izany ry Irak'Allah? Dia namaly izy hoe : Ady masina ho an'I Allah, Ady masina ho an'I Allah.