+ -

عَنْ أَبَي قَتَادَةَ رضي الله عنه أنَّهُ طَلَبَ غَرِيمًا لَهُ، فَتَوَارَى عَنْهُ ثُمَّ وَجَدَهُ، فَقَالَ: إِنِّي مُعْسِرٌ، فَقَالَ: آللَّهِ؟ قَالَ: آللَّهِ؟ قَالَ: فَإِنِّي سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«مَنْ سَرَّهُ أَنْ يُنْجِيَهُ اللهُ مِنْ كُرَبِ يَوْمِ الْقِيَامَةِ فَلْيُنَفِّسْ عَنْ مُعْسِرٍ أَوْ يَضَعْ عَنْهُ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1563]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Qatada (R.A) fa nitady mpitrosa taminy izy, dia niafina taminy ilay olona, dia avy eo nahita azy, ka niteny izy hoe : Sahirana aho, ka hoy izy : Mianiana amin'I Allah ianao? Dia namaly izy hoe : Mianiana amin'I Allah aho? Dia hoy izy : Nandre ny irak'Allah (S.A.W) aho niteny manao hoe :
"Izay manantena ny hamonjen'I Allah azy amin'ny fahoriana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia aoka izy hanome fanamaivanana ho an'izay sahirana na hamela azy."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 1563]

Ny fanazavana

I Abo Qatada Al-Ansari (R.A) dia nitady ilay olona nitrosa taminy izay niafina azy, dia nifanena taminy, ka hoy ilay mpitrosa taminy : Sahirana aho ary tsy manam-bola handoavana ny trosanao.
Ka nampianiana azy tamin'ny anaran'I Allah i Abo Qatada fa hoe tena tsy manam-bola izy?
Nianiana tamin’I Allah àry izy fa nilaza ny marina tamin’izay nolazainy.
Ka nilaza i Abo Qatada (R.A) fa izy naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
Izay maniry sy manantena an'I Allah fa hamonjy azy amin’ny fahoriana sy ny fahasahiranana ary ny horohoron-tany amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, dia aoka izy hanala ny fahasahiranana, amin’ny fanitarana sy fanemorana ny fitakiana ny trosa, na ny famoizana ny trosa sasany na ny rehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny miandry amin'ny fotoana mahamora ny olona tra-pahasahiranana, na mamela ny trosany, na ampahany.
  2. Izay manamaivana ny mpino amin’ny fahorian’izao tontolo izao, dia hamaivanin'I Allah amin’ny fahorian’ny andro fitsanganan’ny maty izy, ary mitovy amin’ny asa ny valisoa.
  3. Fitsipika : Ny adidy dia tsara noho ny an-tsitrapo, fa indraindray ny an-tsitrapo dia tsara noho ny tsy maintsy, ary ny famelana ny trosa amin'ny tsy manan-katao dia an-tsitrapo, ary ny faharetana aminy sy ny miandry fa tsy mitaky dia adidy, ary ny an-tsitrapo no tsara noho ny tsy maintsy eto.
  4. Ny hadith dia mahakasika ny olona tsy manan-karem-bola, noho izany dia miala tsiny izy raha ny amin'izay mangataka andro fanampiny amin'ny manam-bola, dia notaterina avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niteny hoe : “Ny fanemoran'ny manan-karena dia tsy rariny".
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Romaniana Hongariana الموري Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Fanampiny