Lisitr'ireo Hadith

Marina tokoa fa i Tompo Allah dia nandidy ireo zavatra tsy maintsy atao, ka aza ataonareo tsirambina izany; ary namaritra lalàna Izy ka aza dikainareo izany lalàna izany; ary nandrara zavatra Izy ka aza ataonareo izany zavatra izany, ary nangina amin'ny zavatra maro Izy, noho ny indrafony Aminareo fa tsy noho ny fanadinoana akory, ka aza karohinareo intsony izany zavatra izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
عربي الإنجليزية الأوردية
Avelao izay manalasala Anao eo anatrehan'izay tsy manalasala Anao
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra
عربي الإنجليزية الأوردية
Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : " Alhamdolillahy " (Dera sy vonahitra ary fisaorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny vato fandajana ny fitenenana hoe : " Sobohànallah wa alhamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza manao ratsy ary aza mamaly ny ratsy
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha omena ny olona izay nangatahany, dia hisy olona maro hitaky fananan'ny olona sy ny ra fandatsahan-drà azy ireo, ​​fa ny porofo kosa takiana amin'izay milaza fa tompony, ary ny fianianana ho an'izay mandà
عربي الإنجليزية الأوردية
IZAY REHETRA MAHAMAMO DIA VOARARA AVOKOA
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nanao ny fivanianana masina (Hadjy) ho an'i Allah ka tsy nanao fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any aminy Izy, dia lasa tahaka ny andro voalohany izay nahaterahan'ny reniny azy amin'izany fotoana izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy soalat manoloana ny sakafo efa vonina, na ho n'izay poretin'ny loto roa
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika
عربي الإنجليزية الأوردية
Hetezo ny volombava ambony ary alavao ny somotra
عربي الإنجليزية الأوردية
izay manao ouzò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy eken’i Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy ilay manolotra fanomezana no atao hoe mpanohy ny fihavanana, fa ny tena mpanohy fihavanana dia ilay miezaka manohy izany raha sendra misy fahatapan'ilay fihavanana
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
“Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza manompa ny maty, fa efa nahavita izay nataony avokoa izy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
Na iza na iza ny manao ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) dia eo ambanin'ny fiarovan'i Tompo Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy fanomezana natao na navoaka amin'ny hafa ka lasa nampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny Mpanompo iray ny Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo Aminy, ary tsy misy Olona manetry tena eo anatrehan'i Tompo Allah afa-tsy hoe vonona hanandratra Azy avo i Tompo Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny
عربي الإنجليزية الأوردية
“Fahafinaretana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana
عربي الإنجليزية الأوردية
irak'Allah (S.A.W) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany
عربي الإنجليزية الأوردية
izay Olona manao fidiovana masina (Ouzo) ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany, dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha namoaka vola fandaniana ho an'ny ankohonany ny lehilahy iray ary manantena valisoa avy amin'i Allah dia voasokajy ho Swadakat izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Nandrara ny fanaovana Qaz’aa ny irak’Allah (S.A.W)
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mipetraka eo ambonin'ny fasana ianareo, ary aza manao Soalat eo aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske
عربي الإنجليزية الأوردية
“Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito
عربي الإنجليزية الأوردية
i Mpaminany (S.A.W) dia miteny eo anelanelan'ny fiankohofana roa hoe : "Allahomma- ghfirlì, warhamnì, wa à'finì, wahdinì, warzoqnì
عربي الإنجليزية الأوردية
Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo
عربي الإنجليزية الأوردية
Manaova Soalat mitsangana ianao, fa raha tsy vitanao izany dia mipetraha, ary raha tena tsy vitanao dia matoria
عربي الإنجليزية الأوردية
Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Nampianatra anay Irak'Allah (S.A.W) khoutoubat Al-hàjat
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay mamono ny mpanao fanekena dia tsy haheno ny hanitry ny Paradisa, ary ny hanitry ny paradisa dia heno hatrany amin’ny halavirana dia efa-polo taona.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny mpanao kolikoly sy ny mpaka tsolotra amin'ny fitsarana
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
عربي الإنجليزية الأوردية
Hitanao, raha toa ka manatanteraka an'ireo fanompoam-pivavahana Soalat izay voadidy Amiko Aho, ary manatanteraka ihany koa ny fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany, ary nanaja tsara ny ara-dalàna izany hoe : (ireo zavatra HALAL) sy nisitaka avokoa an'ireo zava-boarara izany hoe : (ireo zavatra HARAM), ka tsy manampy amin'izany intsony, Moa ve ahazo an-jara hiditra ao amin'ny Paradisa ny Tenako?, Namaly azy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Eny", Nilaza izy no sady nanao fianiana amin'ny Tompo Allah fa hoe : Tena marina aho fa tsy hanampy mihoatra izany intsony
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Loza ho any amin'ny afobe izay tsy nanasa ny voditongony ary ataovy tsara ny Ozò
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha miteny ny mpiantso amin'ny Azan hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, ka niteny ny iray aminareo hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”
عربي الإنجليزية الأوردية
Nisy vehivavy iray hita faty tamin'ny ady masina sasany nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ka nanameloka ny famonoana vehivavy sy ankizy ilay Irak'Allah (S.A.W)
عربي الإنجليزية الأوردية
nandrara ny voady, ary nilaza manao hoe : "Tsy mitondra soa izany, tsy navoaka izany afa-tsy avy amin'ireo mahihitra
عربي الإنجليزية الأوردية
tena miniana amin'I Allah aho - raha sitrany - mianiana amin'ny fianianako aho ka mahita tsara noho izany, afa-tsy tanterahiko ny onitran'ny fianianako, ary izay tsara kokoa
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay miady hampiakatra avo ny tenin'Allah dia mizotra amin'ny làlan'Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso
عربي الإنجليزية الأوردية
Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana
عربي الإنجليزية الأوردية
izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa manao Ouzo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo
عربي الإنجليزية الأوردية
“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy
عربي الإنجليزية الأوردية
Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy tokony hisaraka amin’ny mpino vavy ny mpino lahy, fa raha misy tsy tiany ny toetran’ny vehivavy iray, dia mba afapo amin'ny hafa izy.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana,
عربي الإنجليزية الأوردية
Nampianatra ahy ny Tashahhoud ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any
عربي الإنجليزية الأوردية
Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah ô, halaviro amin’ny fahotako aho tahaka ny nanalaviranao ny Atsinanana sy Andrefana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha nisotro amin’ny vilian'iray aminareo ny alika, dia aoka ho sasany im-pito izany.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mangataka amin'I Allah ho maty maritiora amin'ny fahamarinana, dia homen'I Allah azy ny toeran'ny maritiora, na dia maty eo am-pandriany aza izy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fomba fandrona amin'ny loto lehibe
عربي الإنجليزية الأوردية
Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro
عربي الإنجليزية الأوردية
Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "Madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy
عربي الإنجليزية الأوردية
asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra
عربي الإنجليزية الأوردية
fa mianiana amin'Allah aho fa ny fitaritan'Allah ny olona iray noho ianao, dia tsara lavitra ho anao mihoatry ny rameva mena
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nanomana vatsy ho an'ny mpiady amin'ny làlan'I Allah dia efa niady, ary izay nisolo-toerana ny mpiady amin'ny làlan'I Allah tamin'ny tsara dia niady
عربي الإنجليزية الأوردية
ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W)
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ampy ho anao raha niteny tamin’ny tànanao roa toy izao sy izao.” avy eo izy dia nikapoka ny tany tamin'ny tanany roa indray mandeha, avy eo nisafo ny tànana havia amin'ny havanana, ary ny ivelan'ny felatànany roa sy ny tarehiny
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy Mpaminany izay nirahin’I Allah ho amin’ny vahoaka iray teo alohako, afa-tsy hoe manana mpanara-dia amin'ny vahoakany izy, izay namana mandray tsara ny fomba amam-panaony sy manatanteraka izany,
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanao velirano tamin'ny Irak'i Allah aho fa hijoro vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia Irak'Allah, hanangana ny Soalat, handoa zakat, ary hihaino sy hankatoa ary hanoro hevitra ho an'ny silamo tsirairay
عربي الإنجليزية الأوردية
aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika
عربي الإنجليزية الأوردية
Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io dia ho ahy ary ny tenako no hamaly soa ny aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanontany an'i Aisha (R.A) aho, dia hoy aho : Inona no zavatra nanombohan'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niditra tao an-tranony izy? Dia namaly izy hoe : Amin'ny siwak (fiborosina nify)
عربي الإنجليزية الأوردية
Voatonona teo anatrehan’ny Mpaminany (S.A.W) ilay lehilahy natory nandritra ny alina mandra-maraina, dia niteny izy hoe : “Io dia lehilahy iray izay namanian’ny satana teo amin'ny sofiny roa, na koa niteny hoe : teo an-tsofiny”
عربي الإنجليزية الأوردية
“I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria
عربي الإنجليزية الأوردية
aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy ho voakasika ny afo mihitsy tongotry ny mpanompo rakotry ny vovoka tamin'ny fanaovana ny asan'I Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay manantena ny hamonjen'I Allah azy amin'ny fahoriana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia aoka izy hanome fanamaivanana ho an'izay sahirana na hamela azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nanao vavaka amin'ny fotoana mangatsiatsiaka roa dia miditra amin'ny Paradisa
عربي الإنجليزية الأوردية
Fady amin'ny alalan'ny fampinonoana izay zavatra fady amin'ny alalan'ny rohim-pihavanana
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa
عربي الإنجليزية الأوردية
Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga
عربي الإنجليزية الأوردية
“Fady tsy azo atao ny mandatsaka ny Ra na ny Ainan'ny Mpino Islamo na dia iray aza. raha tsy noho ny iray amin' ireto antony telo ireto
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha omena ny olona izay nangatahany, dia hisy olona maro hitaky fananan'ny olona sy ny ra fandatsahan-drà azy ireo, ​​fa ny porofo kosa takiana amin'izay milaza fa tompony, ary ny fianianana ho an'izay mandà
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka izy hisitaka anay - na hoy izy : Aoka izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”
عربي الإنجليزية الأوردية
Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao?
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky - Sourat Al-Fatiha
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nandro tamin’ny andro zoma tahaky ny fandroana amin’ny Djanaba avy eo nandeha any amin’ny moske, dia ahazo valisoa tahaky ny nanao sorona rameva
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay tonga manatrika ny Swalat jom'an dia aoka izy hisaika
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nanao "Ouzo" ka nanao izany tsara, dia tonga namonjy vavaka Zoma ary nihaino sy nangina, dia ho voavela ny helony manoloana azy sy zoma ary telo andro fanampiny
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mankany amin'ny moske amin'ny maraina na amin'ny fialan-tsasatra, dia hanomanan'I Allah trano ao amin'ny Paradisa ho azy, isaky ny mandeha maraina na miala sasatra izy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny taratasy amin'ny volamena dia zanabola, afa-tsy ny ity sy ny ity, ary ny varim_bazaha dia zana-bola amin’ny varim_bazaha, afa-tsy ity sy ity, ary ny voamaina dia zana-bola ho voamaina, afa-tsy ity sy ity, ary ny daty dia zana-bola amin'ny daty , afa-tsy ity sy ity
عربي الإنجليزية الأوردية
Apetraho amin'ny toerana marary tamin'ny vatanao ny tananao, ary lazao in-telo ny hoe : Amin'ny anaran'I Allah, ary lazao impito ny hoe : Mangataka fiarovana Aminao aho ry tompo Allah sy ny fahefanao amin'ny zavatra henoko marary sy hitandremako
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny irak'Allah (S.A.W) no olona malala-tànana indrindra, ary tena hita ny fahalalan-tànany indrindra amin'ny Ramadany rehefa nihaona taminy i Jibril
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy hisy hiditra amin’ny afo izay mivavaka maraina alohan’ny fiposahan’ny masoandro na sy ny hariva mialohan'ny filentehan’ny masoandro.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy mpino silamo izay manatanteraka Swalat dimy, tsy ka manao ozò tsara, tamim-pahatahorana, fiankohofana tsara, dia hamafa ny ota vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany dia mandavan-taona.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy : Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa izay tokony haloany, raha tsy amin’ny Andron’ny Fitsanganana amin’ny maty no hovelarana takela-afo
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy na dia iray aza aminareo afa-tsy hoe hiresahan'i Allah mivantana, ary tsy misy mpandika teny
عربي الإنجليزية الأوردية
Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hitsoka ny orony (manadio ny orona) intelo, fa i Satana mandry eo am-bavorony mandritra ny alina”
عربي الإنجليزية الأوردية
Nisy lehilahy iray nanao ouzò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ouzò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy mpino silamo iray manao Ouzo ka manao izany tsara, avy eo mitsangana mivavaka roa rakat, miatrika tsara izany ny fony sy ny tavany, afa-tsy ny paradisa azo antoka ho azy.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa manao ozo ny iray aminareo ka manao ny kirarony, dia aoka hanao soalat miaraka aminy, ary aoka hisafo eo amboniny avy eo tsy esoriny raha tiany afa-tsy hoe tratry ny fahalotoana lehibe
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana
عربي الإنجليزية الأوردية
Mijanòna ianao mandritra ny fe-potoan'ny fadim-bolanao, avy eo dia mandroa.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Voadidy amin'ny olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay naheno AZAN ka niteny an’ity Doan ity hoe : Allahomma Rabba Hazihi Daawatit Tammat Wa swalatil Qaaiima Aati Mohammadan Al-Wassilat Wal Fadhilat Wab’athho Maqaaman Mahmodan Allazi Waad’taho, Dia hahazo fanelanelana avy amiko izy amin’ny andro fitsanganana (andro fitsarana)
عربي الإنجليزية الأوردية
“Aza mivavaka amin’ny fitafiana iray tsy misy na inona na inona eo an-tsorony ny iray aminareo.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa miankohoka ianao dia apetraho ny felatananao ary atsangano ny kiho
عربي الإنجليزية الأوردية
Nivavaka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nanao Salam teo ankavanany izy hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”, ary teo ankaviany koa hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay manome voninahitra an’i Allah (soubhanallah) in-telo amby telopolo isaky ny aorian’ny swalat, ary midera an’I Allah (alhamdolillah) intelo amby telopolo, ary (Allaho Akbar)’ in-telo amby telopolo, izany dia sivy amby sivifolo, ary miteny amin'ny fahazatony hoe : "Lailaha Illallaho wahdaho La sharika laho, Lahol-molko walahol-hamdo wahowa ala-kolli Sha'in kadir, dia ho voafafa ny fahotany na dia toy ny rotran-dranomasina aza
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe telo sa efatra rakat vitany, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, avy eo izy miankohoka indroa alohan’ny famaranana (salam)
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy namela rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy roa rakaat alohan'ny maraina
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay manao rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy efatra aorian'izany, dia nataon'i Allah fady aminy ny afobe
عربي الإنجليزية الأوردية
I Mpaminany (S.A.W) namaky tamin'ny Swalat Fajri ny : {Qol Ya-ayohal Kafirona} sy {Qol Howallaho Ahad}
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny laharana tsara indrindra ho an'ny lehilahy dia ny voalohany, ary ny ratsy indrindra dia ny farany, ary ny laharana tsara indrindra ho an'ny vehivavy dia ny farany, ary ny ratsy indrindra dia ny voalohany
عربي الإنجليزية الأوردية
Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny irak'Allah (S.A.W) ka nasainy namerina ny vavaka nataony ilay lehilahy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ireto vavaka roa ireto dia mavesatra indrindra ho an’ny mpihatsaravelatsihy, ary raha fantatrareo ny ao anatiny dia ho nanao izany ianareo na dia nandady
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay manambady tsy nahazo alàlana avy amin’ny mpitaiza azy, dia tsy manan-kery ny fanambadiany - in-telo - ary raha nanao firaisana izy, dia azy ny vodiondry na inona na inona nitranga, ary raha mifanditra izy ireo dia ny manampahefana no mpiahy an’ireo izay tsy manana mpiahy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ho voaozona izay nanao firaisana tamin’ny vadiny any aoriana”
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah dia tsy mijery ny lehilahy izay manao firaisana amin'ny lehilahy na vehivavy any aoriana
عربي الإنجليزية الأوردية
Hoy aho : Ry irak’Allah ô, inona no zo ananan’ny vadin’iray aminay dia aminy, hoy izy : “Omenao sakafo izy rehefa misakafo ianao, ary ampitafianao rehefa mitafy ianao na hoe rehefa mahazo vola ianao? Aza mikapoka ny tarehy, aza manozona, ary aza ilaozana raha tsy ao an-trano”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay manam-bady roa ka mitongilana any amin’ny anankiray amin’izy ireo, dia ho avy izy amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia mitongilana”
عربي الإنجليزية الأوردية
Eny tokoa, tompo Allah dia mamela ny vahoakako amin'izay nobitsibitsin'ny fony, raha mbola tsy nanao na niteny izany izy
عربي الإنجليزية الأوردية
Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra
عربي الإنجليزية الأوردية
“Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato
عربي الإنجليزية الأوردية
Marina tokoa fa i Allah dia mitia ny fanatanterana ireo fanamaivanana izay nomeny, toy ny fitiavany fanatanterahana ireo didiny napetrany
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa nodidin'i Allah ho faty any amin'ny toerana iray ny mpanompony dia hataon'i Allah lasa misy antondiany any amin'io toerana io
عربي الإنجليزية الأوردية
ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanao ouzò ny Mpaminany (S.A.W) ka nataony indray mandeha indray mandeha avokoa
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) nanasa indroa, indroa tamin'ny ouzò
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo tsirairay, izay hanasany ny lohany sy ny vatany mandritra izany”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny soalat ato amin'ity moske-ko ity dia tsara noho ny soalat arivo atao any amin'ny moske hafa, afa-tsy ny Moske Masina Al-Haram
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hanao soalat roa raka'at avy hatrany mialohan'ny hipetrahany
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma Iftahlì Abwàba rahamatika - Allah ô! Vohay amiko ny varavaran'ny famindram-ponao", ary rehefa miala izy, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma innì As-aloka min fadhlika - Allah ô! Mangataka aminao ny fahasoavanao aho
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ry Bilal ô! Atsangano ny soalat, ampakao sasatra amin'alalan'izany izahay”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ry olona, ​​tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa hivavaka ianareo dia ahitsio ny filaharanareo, ary aoka hitarika anareo ny iray aminareo, ka raha miteny izy hoe “Allaho Akbar” dia mitenena koa ianareo hoe “Allaho Akbar”
عربي الإنجليزية الأوردية
Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Ny vavaka ataoko no mitovy kokoa amin'ny vavakin'ny irak'Allah raha oharana amin'ny anareo, ary toy izany no vavaka nataony mandra-pialany teto an-tany
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny olona mangalatra ratsy indrindra dia izay mangalatra ny soalat ataony.” Niteny izy hoe : “Ahoana ny fomba ataony mangalatra ny soalat-ny? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy mahafeno ny fihondrehany na ny fiankohofany.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka ny irak’Allah (S.A.W), dia miteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - Henon’Allah izay nidera Azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny teo anelanelan'ny fiankohofana roa : "Rabbighfirli Rabbighfirli - Tompoko ô!, Mamelà ahy, Tompoko ô!, Mamelà ahy
عربي الإنجليزية الأوردية
izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo
عربي الإنجليزية الأوردية
Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ry irak'i Allah ô! maty ny renin'i Saad, ka inona no fanomezana tsaratsara kokoa, dia hoy izy : “Ny rano”, niteny izy : nangady vovo ary nolazainy fa ity ho an'i renin'i Saad
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa tonga ny Ramadany dia manaova Oumra ianao, satria ny Oumra amin'io volana io dia mitovy amin'ny Hajj
عربي الإنجليزية الأوردية
Ry irak'Allah ô, hitanay fa ny asa tsara indrindra dia ny ady masina, ka tsy tokony handeha hiady ve izahay? Dia hoy izy namaly : "Tsia, fa ny ady masina tsara indrindra dia : ny Hajj madio
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany
عربي الإنجليزية الأوردية
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nandeha teo amin’ny fanariam-pakon’ny olona iray izy ka namany am-pitsanganana,
عربي الإنجليزية الأوردية
“Eny tokoa, voarara amin’ny lehilahy amin’ny vahoakako ireto, fa azon'ny vehivavy atao
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah sy ny Irany dia nandrara ny fivarotan-toaka sy biby maty ho azy sy kisoa ary sampy
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa nivoaka avy tao amin'ny lavapiringa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : " Ny famelanao ry tompo Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
Nandrara ny fihinanana ny bibidia lava vangy rehetra sy ny lava angofo rehetra amin'ny vorona
عربي الإنجليزية الأوردية
Eo anelanelan'ny Azan roa dia misy swalat avy eo izy dia niteny tamin'ny fahatelo manao hoe : "Ho an'izay mila izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Omeo ireo izay rehetra manan-jo fa tokony hahazo ny anjara tsy maintsy atao ny fanomezana azy ny tsirairay, fa ny izay sisa amin'izany kosa dia ho an'ireo havana akaiky indrindra
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mitam-piadiana hamely anay dia tsy namanay
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny tànana dia hotapahina amin'ny ampahefatry ny dinar no mihoatra
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy olona hokapohina mihoatra ny kapoka folo, raha tsy ao anatin’ny fetra napetrak’Allah”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay miompy alika, afa-tsy alika mpiambina na mpihaza, dia hesorina amin’ny asany isan’andro ny bolongan'ny asa soa roa.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Fantatro fa vato ianao, sady tsy manimba no tsy mahasoa, ary raha tsy nahita ny Mpaminany (S.A.W) nanoroka anao aho dia tsy nanoroka anao velively
عربي الإنجليزية الأوردية
Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany
عربي الإنجليزية الأوردية
I Mpaminany (S.A.W) nampianatra anay ny vavaka Istikhara amin'ny raharaha rehetra tahaky ny fampianarany anay ireo Sorat ao amin'ny Coran
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nifehy iray andro amin’ny làlan’I Allah (noho tompo Allah) dia ho halavirin’I Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe ilay olona ”
عربي الإنجليزية الأوردية
Mbola mitoetra tsara ny olona raha mbola manafaingana ny fisakafoana amin'ny hariva izy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
Izahay namoaka Zakatol-Fitr tamin'ny fotoana nahateo an'ny Mpaminany (S.A.W) ka voadidy hamoaka izany avokoa ny zaza sy ny olon-dehibe, olona tsotra na andevo, swaa amin'ny sakafo na swaa amin'ny varim_bazaha na swaa amin'ny voaloboka na swaa amin'ny atrendry
عربي الإنجليزية الأوردية
Niara-nisakafo maraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nitsangana nivavaka izy avy eo, dia niteny aho hoe : Hafiriana no teo anelanelan'ny Azan sy ny sakafo maraina (Sohor)? Dia hoy izy namaly : Andininy masina dimampolo eo ho eo
عربي الإنجليزية الأوردية
Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany
عربي الإنجليزية الأوردية
Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mialoha ny Ramadany amin'ny fifehezana iray na roa andro, afa-tsy ny olona izay efa zatra nifehy dia aoka izy hifehy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) famoahana ny zakatol-fitr SWAA amin’ny antrendry na SWAA amin’ny voa maina, mamoaka an’izany avokoa ny andevo sy ny olon-tsotra, lahy sy ny vavy ary ny lehibe sy ny ankizy amin’ireo mpino silamo, ary nandidy ny hamoahana izany mialohan'ny hivoahan'ny olona mamonjy ny Soalat Eid”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”
عربي الإنجليزية الأوردية
Niaraka nanao Eid tamin'i Omar bin Al-Khattab (R.A) aho, ka hoy izy : Ireo roa ireto no andro nandraran'ny irak'Allah ny fifehezana : ny andro hitsaharanareo amin'ny fifehezanareo, ary amin'ny andro hafa izay hihinananareo amin'ny fomba fanaonareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka
عربي الإنجليزية الأوردية
Tadiavo ny Laylat al-Qadr amin'ny alina isa tsy mivaky (impaire) amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany
عربي الإنجليزية الأوردية
Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy nivavaka mihitsy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'ny fidinan'ny Sorat : {Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana} [Al-Nasr: 1] afa-tsy hoe nampanarahiny teny hoe
عربي الإنجليزية الأوردية
“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay manaisotra ny zon’ny silamo amin’ny fianianana, dia efa nodidin’I Allah ho azy ny helo, ary norarany amin'ny Paradisa, dia hoy ny lehilahy iray taminy : Na dia zavatra kely aza izany ry irak’Allah? Hoy izy namaly : “Ary na dia ampahany kely aza.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ​​ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny dinara izay laninao tamin’ny làlan’Allah, ny dinara nolanianao tamin’ny andevo iray, ny dinar nomenao ho fiantrana ny mahantra, ary ny dinara izay laninao tamin’ny ankohonanao, ka ny tena hahazoana valisoa lehibe indrindra dia izay nolaninao tamin'ny fianakavianao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
tsy misy fifehezana ho an'izay mifehy mandavan-taona, fa ny fifehezana telo andro dia mitovy amin’ny fifadian-kanina mandritra ny androm-piainany
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza avela hijoro vavolombelona amin'izany aho, satria tsy mijoro vavolombelona amin'ny tsy rariny aho
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay mamangy marary ka mbola tsy tonga ny fotoana hahafatesany, ka niteny impito ny Doan hoe : Mangataka amin’I Allah Tsitoha, Tompon’ny seza fiandrianana lehibe mba hanasitrana anao, Afa-tsy hoe sitranin'I Allah amin'izany aretina izany izy
عربي الإنجليزية الأوردية
I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay manana biby fiompy hataony sorona ka rehefa niditra ny volana Zolhijjah, dia aoka tsy hanala na inona na inona amin’ny volony na amin’ny hohony izy mandra-panaovany ilay sorona
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha fantatry ny olona izay ao amin’ny antso sy ny laharana voalohany, ary avy eo dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manao antsapaka izy ireo, dia hanao antsapaka
عربي الإنجليزية الإندونيسية
Tena marina fa efa voarara ny fisotroana toaka
عربي الإنجليزية الإندونيسية
“Izay midina avy any an-tendrombohitra ka mamono tena dia ho ao amin’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay
عربي الإنجليزية الإندونيسية
Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony
عربي الإنجليزية الإندونيسية
Aza manambana fiadiana amin'ny rahalahiny ny iray aminareo, fa tsy fantany, fandrao ho kapohin'i Satana eo an-tànany izy, ka ho latsaka any amin'ny lavaka feno afo mirehitra
عربي الإنجليزية الإندونيسية
Mianiana amin'I Allah aho fa tsy mpino izy, Mianiana amin'I Allah aho fa tsy mpino izy, Mianiana amin'I Allah aho fa tsy mpino izy." Nisy niteny hoe : Iza izany irak'I Allah? Dia namaly izy hoe : “Izay tsy namela hilamina tsara ny mpiray vodirindrina aminy”
عربي الإنجليزية الإندونيسية
Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo
عربي الإنجليزية الإندونيسية
“Ny volamena ho solon’ny volamena, ny volafotsy ho an’ny volafotsy, ny varim_bazaha ho an’ny varim_bazaha, ny vary ho solon’ny vary, ny atrendry solon’ny atrendry, ny sira ho solon’ny sira, mitovy dia mitovy, raha samy hafa ireo karazany ireo, dia amidio arak'izay tianareo, raha mifanome tànana ianareo
عربي الإنجليزية الإندونيسية
Izay akanjo ambanin'ny kitrokely dia ao amin'ny afo
عربي الإنجليزية الإندونيسية