+ -

عَن أَبي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لاَ يُشِيرُ أَحَدُكُمْ عَلَى أَخِيهِ بِالسِّلاَحِ، فَإِنَّهُ لاَ يَدْرِي، لَعَلَّ الشَّيْطَانَ يَنْزِعُ فِي يَدِهِ، فَيَقَعُ فِي حُفْرَةٍ مِنَ النَّارِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 7072]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Aza manambana fiadiana amin'ny rahalahiny ny iray aminareo, fa tsy fantany, fandrao ho kapohin'i Satana eo an-tànany izy, ka ho latsaka any amin'ny lavaka feno afo mirehitra."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 7072]

Ny fanazavana

Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny silamo manondro karazana fitaovam-piadiana amin'ny rahalahiny silamo, satria tsy fantany raha mety hanery azy hamindra ny fitaovam-piadiana eny an-tànany i Satana, hamono ny rahalahiny na hanisy ratsy azy, ka nanao fahotana izay nitarika azy ho latsaka tao amin’ny lavaka mirehitra afo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanambarana ny fahamasinan'ny rà-n'ny mpino silamo.
  2. Ilaina ny manaja ny silamo ary mitandrema mba tsy hampita ny ratsy aminy amin’ny alàlan’ny fihetsika na ny teny, anisan’izany ny fanondroana vy na fitaovam-piadiana, eny fa na dia amin’ny vazivazy aza. Satria mety hanery ny tànany i Satana ka ho mora aminy ny hamely ny rahalahiny, na mety haka ny fitaovam-piadiana eny an-tànany izy ka lavo tsy fidiny ka hanisy ratsy ny rahalahiny.
  3. Fanakanana ny fiampangana amin'ny fandrarana izay mitondra any amin'ny fady.
  4. Fiantohana amin'ny fiarovana ny fiaraha-monina sy mitahiry ny fifandraisana eo amin'ny samy olona, ​​ary tsy mampitahotra na mandrahona azy ireo, na dia amin'ny fanondroana na fandrahonana aza.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Sinhala Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري الجورجية الماراثية
Fanehona ny dikanteny