عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَنْ تَرَدَّى مِنْ جَبَلٍ فَقَتَلَ نَفْسَهُ فَهُوَ فِي نَارِ جَهَنَّمَ يَتَرَدَّى فِيهِ خَالِدًا مُخَلَّدًا فِيهَا أَبَدًا، وَمَنْ تَحَسَّى سُمًّا فَقَتَلَ نَفْسَهُ فَسُمُّهُ فِي يَدِهِ يَتَحَسَّاهُ فِي نَارِ جَهَنَّمَ خَالِدًا مُخَلَّدًا فِيهَا أَبَدًا، وَمَنْ قَتَلَ نَفْسَهُ بِحَدِيدَةٍ فَحَدِيدَتُهُ فِي يَدِهِ يَجَأُ بِهَا فِي بَطْنِهِ فِي نَارِ جَهَنَّمَ خَالِدًا مُخَلَّدًا فِيهَا أَبَدًا».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5778]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay midina avy any an-tendrombohitra ka mamono tena dia ho ao amin’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay, ary izay misotro poizina ka mamono tena, dia ho eny an-tànany ny poizina, ho tsapany ao amin’ny afobe izany, ary izay mamono tena amin’ny vy dia ho eny an-tànany ny vy, ka hampidiriny ao an-kibony ao amin’ny afobe mitoetra ao mandrakizay".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5778]
Nampitandrina mafy i Mpaminany (S.A.W) fa izay minia mamono tena eto an-tany dia ho voasazy amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty ao amin'ny afobe tahaka ny nataony tamin'ny tenany teto an-tany ho valin'ny nataony, izay nandatsaka ny tenany avy eny amin’ny tendrombohitra iray ka mahafaty ny tenany, dia hiditra ao amin’ny Afobe izy, ary hianjera ao amin’ny tendrombohitra any amin’ny lohasahan'ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay, ary izay misotro poizina sy mamono tena amin’izany dia ho azy eny an-tànany ny poizina, ka hisotro izany ao amin’ny Afobe izy, ka hitoetra ao mandrakizay, ary izay mikapoka vy amin’ny kibony ka mahafaty izany, dia ho Eny an-tànany ny vy, ka manindrona azy amin’izany ny kibony ao amin’ny Afobe ary mitoetra ao mandrakizay.