+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«اجْتَنِبُوا السَّبْعَ الْمُوبِقَاتِ»، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ وَمَا هُنَّ؟ قَالَ: «الشِّرْكُ بِاللهِ، وَالسِّحْرُ، وَقَتْلُ النَّفْسِ الَّتِي حَرَّمَ اللهُ إِلَّا بِالْحَقِّ، وَأَكْلُ الرِّبَا، وَأَكْلُ مَالِ الْيَتِيمِ، وَالتَّوَلِّي يَوْمَ الزَّحْفِ، وَقَذْفُ الْمُحْصَنَاتِ الْمُؤْمِنَاتِ الْغَافِلَاتِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 2766]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.a), fa Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe :
“ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avokoa ireo Mpanara-diany Mpaminany ( saw) nanao hoe : Ry iraka mahafatokin'i Tompo Allah O ! , ka mba inona avokoa moa ary izy ireo ? dia namaly Izy ka Niteny hoe : “ Ny fanakambanana ny fanompoana an’i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa, ny filalaovana ireo Aody mahery, ny famonoan'Olona tsy amin'ny rariny izay noraran’i Tompo Allah afa-tsy amin’ny fahamarinana ihany, fihinana ny zana-bola, fihinana ny volan’ireo kamboty, ary fandosirana amin’ny Ady masina, fanendrikendrehana ireo vahoaka Mpino vavy madio ara-mpitondran-tena .”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nandidy ny vahoakany i Mpaminany (saw) mba hanalavitra tanteraka ireo heloka sy ny fahotana fito izay voalaza fa maharendrika, ary rehefa nanontaniana momban'izany Izy amin'ilay teny hoe : Inona moa izany ? dia nohazavainy toy izao izany :
Voalohany dia : Ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa, amin’ny alàlan’ny fampitoviana Azy sy fampitovian-jo Aminy, na amin’ny endriny inona izany, ary amin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana rehetra amin’ny zavatra hafa an-koatra an’i Tompo Allah, ary nanomboka tamin’ny fanompoan-tsampy ny vali_teniny, Satria io no tena fahotana lehibe indrindra.
Faha-roa dia : Ny filalaovana Aody ratsy - io dia entina ilazana ny fatotra, ny Aody, ny famosavina ary ny fitsofana fanafody - izay misy fiantraikany amin'ny vatan'ilay Olona voan'ny famosaviana amin'ny alàlan'ny fahafatesana na aretina, na fisarahan'ny mpivady, izy io dia asan'ny satana, ary maro amin'izany dia tsy ho tanteraka raha tsy amin'ny alàlan'ny fanompoan-tsampy sy ny fanatonana ireo fanahy ratsy amin'ny zavatra izay tiany ho atao na tiany ho tanterahana.
Fahatelo : Famonoana ny Olona izay noraran’i Tompo Allah fa tsy tokony ho vonoina afa-tsy amin’ny fanamarinana ara-dalàna izay apetrakin'ny Mpitsara.
Faha-efatra : Ny fandraisana ny zana-bola amin’ny alàlan'ny fihinanana na fampiasana azy mba ahazahoana ireo tombontsoa hafa.
Faha-dimy dia : Ny fisolokina ny harenan’ny Zaza izay maty ny Rainy fony izy mbola tsy ampy taona ka lasa antsoina Zaza kamboty ilay Zaza.
Faha-enina : Fandosirana ny ady manoloana ireo tsy mpino.
Faha-fito dia : Ny fiampangana tsy amin'ny rariny ireo vehivavy madio ho mpijangajanga, tahak'izany ihany koa ny fiampangana ireo lehilahy manoloana an'izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tena marina ihany koa fa ny fahotana lehibe rehetra dia tsy voafetra amin'ireo fito ireo ihany, fa ny fitononana ireo fahotana fito ireo dia noho ny avy amin'ny fahalehibiazany sy ny loza rehetra izay aterany.
  2. Azo atao ny famonoana ny Olona raha toa ka ara-drariny ny famonoana izany, toy ny sazy sy famaizana, ny fivadiham-pinoana ary ny fijangajangana aorian'ny fanambadiana, ka ny Mpitondra ara-dalàna no mampihatra izany rehetra izany.