عن حذيفة رضي الله عنه قال: سمعت النبي صلى الله عليه وسلم يقول:
«لَا يَدْخُلُ الْجَنَّةَ قَتَّاتٌ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6056]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tmin'i Hozhaifa (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
“Tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izay mpitondra resaka mampiady. ”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 6056]

Ny fanazavana

Milaza i Mpaminany (S.A.W) ka manazava Amintsika fa ny mpifosafosa iray izay mampita teny eo amin’ny samy Olona amin’ny fikasana hanao fikorontanana sy hady eo amin’ny samy izy ireo dia mendrika amin'izany Olona izany ny ho sazina ka ny sazy sahaza Azy dia ny tsy fampidirana Azy ao amin’ny Paradisa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahotana lehibe ny Fifosana sy mampiady ny Olona.
  2. Fandrarana ny Fifosana; Noho ny fisiany hady sy fikorontanana ary fahavoazana maro aterakany eo amin’ny tsirairay sy ny vondrona hafa ihany koa.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)