+ -

عن عائشة رضي الله عنها قالت: قال النبي صلى الله عليه وسلم:
«لَا تَسُبُّوا الْأَمْوَاتَ، فَإِنَّهُمْ قَدْ أَفْضَوْا إِلَى مَا قَدَّمُوا».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 1393]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Aza manompa ny maty, fa efa nahavita izay nataony avokoa izy ireo."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 1393]

Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) ny fandrarana ny fanozonana ireo maty sy ny fanevatevana ny voninahiny ka izany rehetra izany dia zavatra tsy azo atao, ary izany voalaza fa anisan'ny faholotoan'ny fitondran-tena, Satria tonga amin'ny fanefana ny fanaovana asa soa asa tsara na asa ratsy izy ireo, ary marina. Satria tsy mahatratra azy ireo izany ozona izany, fa mamparary ny velona izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Porofon'ny fandrarana ny Fanozonana ny maty dia voarakitra ao amin’ny Hadith
  2. Fadio ny manozona ny maty mba hijerena ny tombontsoan’ny velona, sy mba hiarovana ny fiaraha-monina amin’ny fifandirana sy ny fifankahalana.
  3. Ny fahendrena ao ambadiky ny fandrarana ny fanozonana azy ireo dia efa tonga amin’ny izay nandaharana azy, ka tsy mahasoa ny manozona azy ireo, ary manimba ny havany velona izany.
  4. Tsy tokony hataony Olona iray ny hilaza zavatra tsy misy ny mahasoa ao amin’ny Olon-kafa iray ny Olona tsirairay.