عَنِ ابْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لاَ يَنْظُرُ اللَّهُ إِلَى مَنْ جَرَّ ثَوْبَهُ خُيَلاَءَ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5783]
المزيــد ...
Tatitra azo tamin'i Ibn Omar (RA), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
"Allah dia tsy mijery izay misintona ny fitafiany noho ny fanambonian-tena."
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5783]
Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny famelana ny akanjo na ny fitafy hihaotra eo ambanin'ny kitrokeliny noho ny fireharehana sy ny fiavonavonana, ary izay nanao izany dia mendrika ny fandrahonana mafy izay tsy hijeren'I Allah azy amin'ny andro farany amin’ny fijery feno famindram-po.