Lisitr'ireo Hadith

Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy azo atao ny mandao (mirafy) ny rahalahiny mihoatra ny telo alina, rehefa mifankahita izy ireo, ary mandà izy roa lahy, mifanome lamosina ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia izay manomboka miarahaba manao ny Salamo
عربي الإنجليزية الأوردية
i Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha mihinana ny anankiray aminareo, dia aoka izy hihinana amin’ny tànany havanana, ary raha misotro izy, dia aoka hisotro amin’ny tànany havanana; saria ny Satana dia mihinana amin’ny tànany havia sy misotro amin’ny tànany havia.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay mitafy lamba landy eto an-tany dia tsy hitafy izany any ankoatra
عربي الإنجليزية الأوردية
Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa manao Ouzo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo
عربي الإنجليزية الأوردية
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha misy aminareo mahita nofy izay tiany, dia avy amin’I Allah izany, koa aoka izy hidera an’I Allah sy hiresaka momba izany, ary raha mahita zavatra hafa tsy tiany izy, dia avy amin’i Satana izany, koa aoka izy mitady fialofana amin’ny faharatsiany, ary aoka tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza, fa tsy hanisy ratsy azy izany.”
عربي الإنجليزية الأوردية
I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony
عربي الإنجليزية الأوردية
Nisy lehilahy iray niara-nisakafo tamin’ny irak’Allah (S.A.W), tamin’ny tanany havia, dia hoy izy hoe : “Mihinàna amin’ny tànanao ankavanana ianao” Namaly izy : “Tsy vitako” dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy vitanao ve
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha misy iray aminareo mifanena amin’ny rahalahiny, dia aoka izy hiarahaba azy, ka raha nisy hazo, na rindrina, na nampisaraka azy roa, ka nihaona aminy indray izy taorian'izany dia aoka hiarahaba azy ihany koa.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny nofy tsara dia avy amin'IAllah, ary ny nofy ratsy dia avy amin'i Satana, ka raha misy aminareo manonofy izay mampahatahotra azy, dia aoka handrora amin'ny ilany havia izy, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsian'izany, dia tsy hahavita haninona azy
عربي الإنجليزية الأوردية
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'i Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza miarahaba voalohany ireo Jiosy na Kristiana, fa raha mifanena amin'ny anankiray amin'izy ireo eny an-dàlana ianareo, dia tereo amin'ny làlana tery izy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’i Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”
عربي الإنجليزية الأوردية
Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao?
عربي الإنجليزية الأوردية
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana Islam no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay mianiana ka niteny amin’ny fianianana hoe : Mianiana amin’ny alalan'i Lata sy Ozza, dia aoka izy hiteny hoe: Lailaha Illallah, izay midika : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah, ary izay miteny amin’ny namany hoe : Avia hiara-hiloka amiko ianao, dia aoka izy hamoaka fanomezana
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
“ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”
عربي الإنجليزية الأوردية
Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy }
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy
عربي الإنجليزية الأوردية
Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo”
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Ny akanjon’ny mpino silamo dia mipaka hatrany amin’ny antsasaky ny tongony, ary tsy misy elanelana – na tsy maninona – eo anelanelan’izy io sy ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin’ny kitrokely dia ao amin’ny helo, izay misintona ny akanjony ambany amin’ny tsy rariny, dia tsy ho jeren'I Allah izy.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha manoaka ny anankiray aminareo, dia aoka hanapina ny vavany ny tànany, satria ny satana dia hiditra ao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
“Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy”
عربي الإنجليزية الأوردية
Allah dia tsy mijery izay misintona ny fitafiany noho ny fanambonian-tena
عربي الإنجليزية الأوردية
“Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ​​ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fianianana dia mampandany entam-barotra, saingy manaisotra tombony
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa
عربي الإنجليزية الأوردية
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino.
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay milaza amin’ny rahalahiny hoe : o ry tsy mpino, dia tanteraka amin'iray tamin’izy roa, raha tsy izany dia haverina aminy ny teniny
عربي الإنجليزية الإندونيسية
“Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho
عربي الإنجليزية الإندونيسية