عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤْمنينَ رَضيَ اللهُ عنها قَالَت:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا أَتَى الْمَرِيضَ يَدْعُو لَهُ قَالَ: «أَذْهِبِ الْبَاسَ، رَبَّ النَّاسِ، وَاشْفِ أَنْتَ الشَّافِي، لَا شِفَاءَ إِلَّا شِفَاؤُكَ، شِفَاءً لَا يُغَادِرُ سَقَمًا».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2191]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Isaky ny tonga mamangy ny marary i Mpaminany dia manao Doan ho azy manao hoe : “Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 2191]
Isaky ny mitsidika olona marary ny Mpaminany (S.A.W), dia mivavaka ho azy ary miteny hoe : Allah ô, (Apandehano) ary esory (ny fahoriana) sy ny hamafin'ny aretina, (Tompon'ny olombelona) sy ny Mpamorona ary ny mpitaiza azy, (ary sitrano) ity marary ity (Ianao), Voninahitra anie ho Anao (Mpanasitrana), ary mitalaho Aminao amin'ny anaranao mpanasitrana aho, (Tsy misy fanafodiny) izay mety hitranga amin'ny marary (afa-tsy ny fahasitrananao) sy ny fahasalamanao, (Fanasitranana) feno tanteraka (tsy miala) ary mijanona ary miala (aretina) ary aretina hafa.