عن عبد الله بن مسعود رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«إنَّ الرُّقَى والتَمائِمَ والتِّوَلَةَ شِرْكٌ».

[صحيح] - [رواه أبو داود وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 3883]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Masoundi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”.

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 3883]

Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) ireo zavatra ny fanaovana azy dia fanomoan-tsampy; isan'izany :
Voalohany : Al-Rokiat : ireo teny izay itadiavan'ny olona talohan'ny Islam fahasitranana izay mifono fanompoan-tsampy.
Faharoa : Ody atao amin’ny vakana sy ny toy izany : izay afatotra amin’ny ankizy sy ny biby ary ny hafa mba hialana amin’ny ratsy.
Fahatelo: Tioala : Ody fitia izay atao mba hampifankatia ny mpivady roa.
Ireo zavatra ireo dia fanompoan-tsampy; Satria izy no antony nanaovana zavatra iray, nefa izy di tsy antony mazava tsara arahna porofo, no sady tsy antony mivaingana azo tsapahin-tànana amin'ny traikefa. Fa ny amin’ny antony ara-dalàna, toy ny famakiana ny boky masina Koroany na ny antony ara-batana, toy ny fanafody voaporofon’ny traikefa, dia azo atao amin’ny finoana fa izy tokoa no antony, ary ny soa sy ny ratsy dia eo am-pelatànan'Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanamboarana ny finoana sy ny foto-pinoana amin'izay manimba azy.
  2. Fandrarana ny fampiasana Rokia misy Shirky, Hirizy ary Ody mahery.
  3. Ny finoan'ny olona fa hoe iray amin'ireo telo ireto ho antony : dia Shirky kely; Satria nametraka zavatra sy antony ho antony, fa ny finoana hoe mahasoa sy manao ratsy kosa dia Shirky lehibe izany.
  4. Fampitandremana amin'ny fanaovana ny anton-javatra iray ara Shirky sy izay Voarara.
  5. Fandrarana ny Rokiat ary voasokajy ho Shirky, afa-tsy izay ara-dalàna.
  6. Ny Fo dia tokony hifantoka amin’Allah irery ihany tsy misy, avy aminy ny loza sy ny tombontsoa, ary ​​tsy misy mpiara-miasa aminy. Tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy manafoana ny ratsy afa-tsy Allah ilay avo Tsitoha irery ihany.
  7. Ny Rokiat azo atao dia nahafeno ireto fepetra telo ireto : 1-Heverina ho antony ary tsy manasoa afa-tsy amin'ny alàlan'i Allah. 2-Tokony ho ao amin’ny boky masina Koroany, ny anaran'Allah sy ny toetrany,, ny fitalahoana ara-paminaniana ary ny fitalahoana ara-dalàna. 3-Tsy maintsy amin'ny fiteny mazava ny dikany ary tsy misy ody sarisary sy ody Mpimasy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)