+ -

عن عبد الله بن مسعود رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«إنَّ الرُّقَى والتَمائِمَ والتِّوَلَةَ شِرْكٌ».

[صحيح] - [رواه أبو داود وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 3883]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Masoundi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”.

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad]

Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.W.A) ireo zavatra ny fanaovana azy dia fanomoan-tsampy; isan'izany :
Voalohany : Al-Rokiat : ireo teny izay itadiavan'ny olona talohan'ny Islam fahasitranana izay mifono fanompoan-tsampy.
Faharoa : Ody atao amin’ny vakana sy ny toy izany : izay afatotra amin’ny ankizy sy ny biby ary ny hafa mba hialana amin’ny ratsy.
Fahatelo: Tioala : Ody fitia izay atao mba hampifankatia ny mpivady roa.
Ireo zavatra ireo dia fanompoan-tsampy; Satria izy no antony nanaovana zavatra iray, nefa izy di tsy antony mazava tsara arahna porofo, no sady tsy antony mivaingana azo tsapahin-tànana amin'ny traikefa. Fa ny amin’ny antony ara-dalàna, toy ny famakiana ny boky masina Koroany na ny antony ara-batana, toy ny fanafody voaporofon’ny traikefa, dia azo atao amin’ny finoana fa izy tokoa no antony, ary ny soa sy ny ratsy dia eo am-pelatànan'Allah.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanamboarana ny finoana sy ny foto-pinoana amin'izay manimba azy.
  2. Fandrarana ny fampiasana Rokia misy Shirky, Hirizy ary Ody mahery.
  3. Ny finoan'ny olona fa hoe iray amin'ireo telo ireto ho antony : dia Shirky kely; Satria nametraka zavatra sy antony ho antony, fa ny finoana hoe mahasoa sy manao ratsy kosa dia Shirky lehibe izany.
  4. Fampitandremana amin'ny fanaovana ny anton-javatra iray ara Shirky sy izay Voarara.
  5. Fandrarana ny Rokiat ary voasokajy ho Shirky, afa-tsy izay ara-dalàna.
  6. Ny Fo dia tokony hifantoka amin’Allah irery ihany tsy misy, avy aminy ny loza sy ny tombontsoa, ary ​​tsy misy mpiara-miasa aminy. Tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy manafoana ny ratsy afa-tsy Allah ilay avo Tsitoha irery ihany.
  7. Ny Rokiat azo atao dia nahafeno ireto fepetra telo ireto : 1-Heverina ho antony ary tsy manasoa afa-tsy amin'ny alàlan'i Allah. 2-Tokony ho ao amin’ny boky masina Koroany, ny anaran'Allah sy ny toetrany,, ny fitalahoana ara-paminaniana ary ny fitalahoana ara-dalàna. 3-Tsy maintsy amin'ny fiteny mazava ny dikany ary tsy misy ody sarisary sy ody Mpimasy.
Fanampiny