عَن أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِذَا تَثَاءَبَ أَحَدُكُمْ فَلْيُمْسِكْ بِيَدِهِ عَلَى فِيهِ، فَإِنَّ الشَّيْطَانَ يَدْخُلُ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2995]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
“Raha manoaka ny anankiray aminareo, dia aoka hanapina ny vavany ny tànany, satria ny satana dia hiditra ao.”
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2995]
Nanome toromarika i Mpaminany (S.A.W) ho an'izay manoaka nanokatra ny vavany noho ny hakamoana na ny fahafenoana sy ny toy izany, dia hametraka ny tànany amin’ny vavany sy ny fanakatonana azy; Izany satria i Satana no miditra ao raha avelany misokatra, ka ny toeran’ny tànana no manakana azy tsy hiditra.