+ -

عن عمرو بن شُعيب عن أبيه عن جدِّه قال: قال رسولُ الله صلى الله عليه وسلم:
«مُرُوا أولادكمِ بالصلاةِ وهم أبناءُ سبعِ سِنينَ، واضرِبوهم عليها وهم أبناءُ عَشرٍ، وفرِّقوا بينهم في المَضاجِعِ».

[حسن] - [رواه أبو داود] - [سنن أبي داود: 495]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Amro bin Shoaib, azony tamin'ny rainy sy raibeny niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”.

[Tsara] - [Notantarain'i Abo Daòd]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny ray dia tsy maintsy mandidy ny zanany - lahy sy vavy - hivavaka rehefa feno fito taona, ary hampianatra azy ireo izay fahalalana ilainy amin'izany. Rehefa feno folo taona izy ireo, dia nitombo ny raharaha momba izany, ary kapohina izy noho ny tsy fanatanterahany izany, ary sarahina izy ireo eo am-pandriana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampianarana ireo ankizy momba ny finoana mialohan'ny ho tonga taona, ary anisan'ny tena zava-dehibe amin'izany ny Soalat.
  2. Famaizana fa tsy fampijaliana no hikapohina azy ireo ka tokony ho kapohina amin’ny fomba sahaza ny tenany.
  3. Ny lalàna (sharia) dia mifantoka amin'ny fitandroana ny voninahitra, ary manampona ny làlana rehetra mety hitarika amin'ny fahasimbana.