عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا قَالَتْ:
مَا صَلَّى النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ صَلاَةً بَعْدَ أَنْ نَزَلَتْ عَلَيْهِ: {إِذَا جَاءَ نَصْرُ اللَّهِ وَالفَتْحُ} [النصر: 1] إِلَّا يَقُولُ فِيهَا: «سُبْحَانَكَ رَبَّنَا وَبِحَمْدِكَ اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي».
وعَنْها قَالَتْ: كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يُكْثِرُ أَنْ يَقُولَ فِي رُكُوعِهِ وَسُجُودِهِ: «سُبْحَانَكَ اللهُمَّ رَبَّنَا وَبِحَمْدِكَ، اللهُمَّ اغْفِرْ لِي» يَتَأَوَّلُ الْقُرْآنَ.
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 4967]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Tsy nivavaka mihitsy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'ny fidinan'ny Sorat : {Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana} [Al-Nasr: 1] afa-tsy hoe nampanarahiny teny hoe : "Voninahitra ho Anao ry Tomponay, ary ho Anao anie ny fisaoarana Allah ô, mamelà ahy.”
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 4967]
Ny Renin'ny mpino Aisha (R.A) dia mitantara fa rehefa nidina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny sorat : "Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana", dia nandinika ny KORAN izy ary nanafaingana ny fankatoavana ny didin’I Allah Tsitoha tamin’ny fitenenany hoe : “Koa mankalazà ny fiderana ny Tomponao ary mitadiava famelan-keloka avy Aminy”, dia matetika izy no miteny izany rehefa miondrika sy miankohoka mandritra ny vavaka hoe : “Voninahitra ho Anao” sy hanadio Anao amin'ny lesoka rehetra izay tsy mendrika Anao, "Allah ianao no Tomponay ary fiderana ho Anao" miaraka amin'ny fiderana izay deraina noho ny fahatanterahanao, ny toetranao ary ny asanao, "Allah ô, mamelà ahy" ary esory amiko ny fahotako sy ny fahadisoako ary avelao izany.