+ -

عَنْ ‌أَبِي الزُّبَيْرِ قَالَ:
كَانَ ‌ابْنُ الزُّبَيْرِ يَقُولُ فِي دُبُرِ كُلِّ صَلَاةٍ حِينَ يُسَلِّمُ: «لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللهِ، لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، ‌وَلَا ‌نَعْبُدُ ‌إِلَّا إِيَّاهُ، لَهُ النِّعْمَةُ وَلَهُ الْفَضْلُ وَلَهُ الثَّنَاءُ الْحَسَنُ، لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ وَلَوْ كَرِهَ الْكَافِرُونَ» وَقَالَ: «كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يُهَلِّلُ بِهِنَّ دُبُرَ كُلِّ صَلَاةٍ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 594]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Zoubair niteny manao hoe :
Matetika i Ibn Zobair rehefa mamarana Swalat ataony miteny hoe : " Là ilàha illal-loàhou wahdahòu Là Sharìka-laho lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìr, là hawla walà qowwata illà billàhy, Là ilàha illal-làhou walà na'bodou illà iyyàhou, lahon-ni'mat wa lahol-fahdlou wa laht-thanàol-hasan, Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna walao karihal-kàfiròna " ary miteny koa izy hoe : " irak'Allah (S.W.A) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat ".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

i Mpaminany (S.W.A) dia mamerimberina io tonombavaka io aorian'ny famaranany ireo Swalat obligatoire, ary ny dikany dia :
" Là ilàha illàl-làho " : izay midika hoe : Tsy misy Tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany.
"Wahdahou La charika lahou" : Tsy misy mpikambana Aminy amin'ny maha Zanahary Azy sy ny maha Mpiahy Azy na eo amin'ireo Anarany sy ny Lazany izany.
" Lahoul-moulk = Azy avokoa ny fanjakàna " izany hoe : Azy ny fanjakàna rehetra amin'ny endrika feno izay midadasika manenika ny lanitra sy ny tany ary manelanelana azy roa.
" wa lahol-hamdou " izany hoe : Izy no manana lazan'ny fahafenoana tsy mana-petra, deraina amin’ny fahatanterahana noho ny fitiavana sy ny fanajana amin’ny toe-javatra rehetra, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy.
" wa howa an'là kolly Shayin-qadìr " : Feno dia feno ny heriny amin’ny lafiny rehetra. Ary tsy misy ny tsy vitany, ary tsy misy ny tsy hainy.
"Là hawla walà qowwata illà billàhy" izany hoe : Tsy misy fiovana avy amin’ny toe-javatra iray ho amin’ny iray hafa, na amin’ny tsy fankatoavana an’Allah, ho amin’ny fikomiana Azy. Tsy misy hery afa-tsy amin’Allah, satria Izy no Mpanampy ary any aminy ny finoantsika.
" Là ilàha illallahou walà na'bodo illà iyyàhou " : Fanamafisana ny dikan’ny maha-tompo Zanahary azy sy ny fandavana ny fanompoan-tsampy, ary tsy misy mendrika hivavahana afa-tsy Izy Allah.
" Lahoun-ni'mat wa lahoul-fahdlou " : Izy no Nahary ny fahasoavana ary manana, ary Izy no misafidy izay tiany omena izany fahasoavana izany amin'ireo Mpanompony.
"wa lahout-thanàol-hasan - Ary Azy ny fiderana tsara”: ho an’ny tenany, ny toetrany, ny asany, ny fahasoavany, ary amin’ny toe-javatra rehetra.
"Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna" : izany hoe : Manokana azy amin'ny fanompoana, tsy misy fireharehana na laza tsara amin’ny fankatoavana an’Allah.
" walao karihal-kàfiròna - Na dia halan’ny tsy mpino aza izany”, izany hoe : Miorim-paka amin’ny finoana an’Andriamanitra sy ny fanompoam-pivavahana Aminy, na dia mankahala azy ireo aza ny tsy mpino.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny fanaovana sy fifikirana amin'ity Zikry ity isaky ny avy mivavaka in-dimy isanandro.
  2. Ny silamo dia mitazona tsara sy mirehareha amin'ny fivavahany ary manao ny fombafombany rehetra, na dia mankahala azy aza ireo tsy mpino.
  3. Rehefa hita amin'ny Hadith ny Teny hoe : "aorian'ny Soalat", rehefa tsy hita eo Aminy ny hoe Zikyr dia midika fa aorian'ny Salam, raha Doa'n kosa dia alohan'ny Salam.