+ -

عَنْ كَعْبِ بْنِ عُجْرَةَ رضي الله عنه عَنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مُعَقِّبَاتٌ لَا يَخِيبُ قَائِلُهُنَّ -أَوْ فَاعِلُهُنَّ- دُبُرَ كُلِّ صَلَاةٍ مَكْتُوبَةٍ، ثَلَاثٌ وَثَلَاثُونَ تَسْبِيحَةً، وَثَلَاثٌ وَثَلَاثُونَ تَحْمِيدَةً، وَأَرْبَعٌ وَثَلَاثُونَ تَكْبِيرَةً».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 596]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ka'ab Ibn O'jrata (R.A), nteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy: Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nolazain'ny Mpaminany ireo tonombavaka izay tsy hahavery na hanenenana ny miteny izany, fa hahazo valisoa amin'ireo teny ireo, ary ny sasany dia manaraka ny sasany, ary vakina izany aorian'ny Soalat dimy dia:
“Sobhànallah - Voninahitra ho an’Allah - in-telo amby telopolo, izany hoe fiderana an'Allah manalavitra ny tsy fahalavorarina sy ny tsy fahampiana.
Ary "Alhamdo lillàhi - fisaorana an'Allah - in-telo amby telopolo, izay famaritana an’Allah amin’ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy fanomezam-boninahitra Azy.
Ary "Allaho Akbar - Allah no lehibe indrindra - in-efatra amby telopolo, fa lehibe Allah sy Be voninahitra ary Mahery noho ny zavatra rehetra.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavana azo amin'ny fiderana sy fisaorana ary fanomezam-boninahitra an'Allah, izany ireny no asa soa maharitra.