+ -

عن بريدة بن الحصيب رضي الله عنه أنه قال:
بَكِّرُوا بِصَلَاةِ الْعَصْرِ، فَإِنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «مَنْ تَرَكَ صَلَاةَ الْعَصْرِ فَقَدْ حَبِطَ عَمَلُهُ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 553]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Bourayda (R.A) niteny hoe :
Afaingano ny Swalat Asri, Satria i Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Nampitandrina i Mpaminany (S.W.A) amin'ny fanemorana ny Soalat Asri amin'ny fotoanany ka minia manatara izany, ary izay manao izany dia tsy manan-kery ary simba sy rava ny asa soa vitany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisina amin'ny fifikirana ny fanaovana Swalat Asri amin'ny voaloham-potoana sy ny fiazakazana amin'izany.
  2. Ny fandrahonana mafy ho an'izay manao tsirambina ny vavaka tolakandro (Swalat Asri) sy ny tsy fanaovana azy amin'ny fotoana mahamety azy dia lehibe noho ny tsy fanaovana vavaka hafa, satria io no vavaka afovoany voafaritra manokana ao amin'ny bokin'i Allah ilay Tsitoha: (Aoka ianareo hitandro mandrakariva ireo vavaka fanompoana Swalat, indrindra ny vavaka fanompoana afovoany) [Al-Baqarah: 238].