+ -

عن عثمان بن عفان رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ تَوَضَّأَ فَأَحْسَنَ الْوُضُوءَ خَرَجَتْ خَطَايَاهُ مِنْ جَسَدِهِ حَتَّى تَخْرُجَ مِنْ تَحْتِ أَظْفَارِهِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 245]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Outhman Ibn Affan (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" izay Olona manao fidiovana masina Ouzo ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 245]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay nanao fidiovana masina (Ouzou) ka voahaja ireo Sounnat eo aminy sy ny momba azy rehetra, Dia izany tafiditra ho anisany antony lehibe amin'ny famafana ny haratsina sy ny fahadisoana, "mandra-pivoahann'ny" fahotany eo amin'ny hohon'ny tanany roa sy ny tongony roa.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana ny olona hitandro mandrakariva ny fianarana momba ny fidiovana masina, ny Sunnah sy ny etika, ary fanatantanterahana azy.
  2. Tombotsoan'ny Ouzo, ary izy dia mamafa ireo fahotana kely, fa ny ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy amin'ny alàlan'ny fibebahana.
  3. Fepetra takina amin'ny famafana ny ota dia ny fanaovana ny Ouzo sy ny fanatanterahana azy amin'ny endrika feno sy tsara ka tsy ahitàna lesoka araka izay fomba nanazavan'ny Mpaminany (S.W.A).
  4. Ny famafana ny fahotana ao amin’ity hadith ity dia voafetra ihany amin’ny fialana amin’ny fahotana lehibe sy ny fibebahana amin’izany. Hoy i Allah ilay Tsitoha : (Raha manalavitra ireo fahotana lehibe izay nandrarana anareo ianareo, dia hofafanay ireo faharatsiana vitanareo) [An-nisà°: 31].