عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضيَ اللهُ عنهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِذَا تَوَضَّأَ الْعَبْدُ الْمُسْلِمُ -أَوِ الْمُؤْمِنُ- فَغَسَلَ وَجْهَهُ خَرَجَ مِنْ وَجْهِهِ كُلُّ خَطِيئَةٍ نَظَرَ إِلَيْهَا بِعَيْنَيْهِ مَعَ الْمَاءِ -أَوْ مَعَ آخِرِ قَطْرِ الْمَاءِ-، فَإِذَا غَسَلَ يَدَيْهِ خَرَجَ مِنْ يَدَيْهِ كُلُّ خَطِيئَةٍ كَانَ بَطَشَتْهَا يَدَاهُ مَعَ الْمَاءِ -أَوْ مَعَ آخِرِ قَطْرِ الْمَاءِ-، فَإِذَا غَسَلَ رِجْلَيْهِ خَرَجَتْ كُلُّ خَطِيئَةٍ مَشَتْهَا رِجْلَاهُ مَعَ الْمَاءِ -أَوْ مَعَ آخِرِ قَطْرِ الْمَاءِ- حَتَّى يَخْرُجَ نَقِيًّا مِنَ الذُّنُوبِ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 244]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anankiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany izy".
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 244]
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misy silamo na mpino iray manadio ny tenany ary manasa ny tavany mandritra ny Ozo, dia ny fahotana kely rehetra izay nojereny tamin'ny masony hivoaka amin'ny tavany miaraka amin'ny rano milatsaka rehefa avy nanasa na tamin’ny rano indray mitete farany izy, dia hivoaka avy amin’ny tànany miaraka amin'ny rano mitete ny ota kely rehetra izay nataon’ny tànany, ka raha nanasa ny tongony izy ny ota kely nataon’ny tongony dia mivoaka miaraka amin’ny rano, na miaraka amin’ny rano indray mitete farany mandra-pivoakany madio amin’ny ota madinika amin’ny alàlan’ny famitana ny Ozo.