Lisitr'ireo hadith

Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika
عربي Anglisy Ordo
Hetezo ny volombava ambony ary alavao ny somotra
عربي Anglisy Ordo
izay manao ozò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha
عربي Anglisy Ordo
“Tsy eken’I Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”
عربي Anglisy Ordo
Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
izay Olona manao fidiovana masina Ouzo ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony
عربي Anglisy Ordo
Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : " Alehamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
عربي Anglisy Ordo
Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana
عربي Anglisy Ordo
izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”
عربي Anglisy Ordo
“Rehefa manao Ozo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo
عربي Anglisy Ordo
Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy
عربي Anglisy Ordo
Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro
عربي Anglisy Ordo
Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy
عربي Anglisy Ordo
ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W)
عربي Anglisy Ordo
“Ampy ho anao raha niteny tamin’ny tànanao roa toy izao sy izao.” avy eo izy dia nikapoka ny tany tamin'ny tanany roa indray mandeha, avy eo nisafo ny tànana havia amin'ny havanana, ary ny ivelan'ny felatànany roa sy ny tarehiny
عربي Anglisy Ordo
Nisy lehilahy iray nanao ozò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ozò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat
عربي Anglisy Ordo
Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana
عربي Anglisy Ordo
Mijanòna ianao mandritra ny fe-potoan'ny fadim-bolanao, avy eo dia mandroa.”
عربي Anglisy Ordo