+ -

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤمنين رضي الله عنها قَالَتْ:
كَانَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا اغْتَسَلَ مِنَ الجَنَابَةِ، غَسَلَ يَدَيْهِ، وَتَوَضَّأَ وُضُوءَهُ لِلصَّلاَةِ، ثُمَّ اغْتَسَلَ، ثُمَّ يُخَلِّلُ بِيَدِهِ شَعَرَهُ، حَتَّى إِذَا ظَنَّ أَنَّهُ قَدْ أَرْوَى بَشَرَتَهُ، أَفَاضَ عَلَيْهِ المَاءَ ثَلاَثَ مَرَّاتٍ، ثُمَّ غَسَلَ سَائِرَ جَسَدِهِ، وَقَالَتْ: كُنْتُ أَغْتَسِلُ أَنَا وَرَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ مِنْ إِنَاءٍ وَاحِدٍ، نَغْرِفُ مِنْهُ جَمِيعًا.

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 272]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny izy :
Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro, avy eo dia manavasava ny volony tamin'ny tànany, mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volony ny rano ary lena ny hodi-dohany, nandraraka rano in-telo taminy, avy eo nanasa ny vatany iray manontolo, dia hoy izy : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) nandro amin'ny koveta iray ary samy nanovo tao izahay roa. .

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Rehefa te-handro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia niatomboka tamin'ny fanasana tanany roa. Avy eo dia manao ozò izy toy ny ozò fatao amin'ny soalat, avy eo manondraka rano amin'ny vatany, avy eo manavasava ny volon-dohany mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volo ny rano ary lena ny hodi-dohany, avy eo nandraraka rano tamin’ny lohany in-telo ary nanasa ny sisa tamin'ny vatany. Ary niteny i Aicha (R.A) : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) mandro ao anaty koveta iray ary samy manovo rano ao aminy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Misy karazany roa ny fandroana : ny fandroana mety sy fandroana feno. Raha ny amin'ny fandrona mety dia mikasa ny hanadio tena ny olona iray, avy eo manasa ny vatany manontolo amin'ny rano miaraka amin'ny fanasana ny vavany sy ny orony. Raha ny fandrona feno kosa dia mandro izy tahaka ny nataon'ny Mpaminany (S.A.W) nandro toy ny amin'ity hadith ity.
  2. Ny loto lehibe (Janàba) dia ilazana izay rehetra namoaka tsirinaina, na nanao firaisana, na dia tsy nisy zavatra nivoaka aza.
  3. Azo ataon'ny mpivady ny mifampijery henatra, sy ny mandro miaraka amin'ny koveta iray.
Fanampiny